« | »

Euro2008: Mody ny Italiana

2008-06-23 @ 07:33 in ItaliAfrika

Eritreritra fohifohy sendra taorian'ny naharesen'i Italia alina.

Azo atao hoe tsy ao intsony ireo mpilalao italiana ireo fa tsy tahaka ny tamin'ny mondialy farany teo. Io no tena hadisoan'ny mpanazatra... satria izy no mpifidy mpilalao. Kanefa iza moa no mpilalao hofidina eo raha tsy misy?

Vokatr'izany dia namotoka daholo
- Toni dia tsy namokatra mihitsy kanefa izy foana no ezahina ampidirina sy omena baolina. Izao manjary ankahalain'ny mpitia baolina fandaka fotsiny.
- Di Natale tsy manana hery hitifirana penalty izany. Jereo fa mora kely ny daka nataony.
- De Rossi Efa nolazaina hoe misy tsy mety mbola nasaina nandaka penalty ihany.
- i Del Piero tsy nampidirina raha tsy tamin'ny faramparany kanefa hita tamin'ireo lalao fifanintsanana fa manana traikefa
- i Materazzi tsy nanao intsony taty aoriana kanefa izy no mahavoa coup-de-tete kokoa noho i Toni rehefa misy corner

Mangina tanteraka ny tanàna amin'izao (sady efa tafakatra 35° sahady ny hafanana) kanefa hoy aho hoe t@ mondialy 2006 dia nanaiky fa nandresy tamin'ny tirs-au-but ka rariny koa raha manaiky resy amin'ny tirs-au-but tamin'ity indray mitoraka ity.

Toa haverina indray hono i Lippi tsss

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry