« | »

Italia: Sahobakaka ambodiriana

2008-05-27 @ 08:48 in ItaliAfrika

Anisan'ny fomba fiteny malagasy ilay hoe manao sahobakaka ambodiriana (ny tohiny dia be dia be :-)). Ny sahobakaka ambodiriana dia ireny sahobakaka miezaka mitsambikina hihoatra riana ireny kanefa tsy afaka. Ny eritreritra be dia be fa ny hoza-pe no tsy maharaka.Dia toa izany ny fahitana ny paikadin'ny Italia amin'ity resaka fandroahana vahiny tsy manana taratasy ity.

Ho an'izay tsy mbola mahalala tsara, dia miezaka mafy mihitsy ny governemanta italiana amin'izao fotoana izao ny hiady amin'ny fialokalofana tsy ara-dalana ataon'ny mpivahiny. Hatramin'izay nahavoafidy indray an'i Berlusconi ho lehiben'ny filakevitra izay dia nataony vaindohan-draharaha ny fanomanana ny lalàna hanenjehana ireo vahiny tsy manana taratasy. Rariny izany, taniny io, ny eritreritra tsara (na ratsy koa) be dia be. Fa maharaka an'izany ve ny hoza-pe?

Hatao ho heloka hono ny fialokalofana tsy ara-dalàna.

Raha ankatoavin'ny ao amin'ny solombavam-bahoaka ilay lalàna izay naroson'ny governemanta dia ho lasa heloka ny fivahinianana tsy ara-dalàna eto Italia. Izany hoe ireo vahiny tsy manana taratasy ara-dalàna dia tonga dia azo gadraina. Tahaka izany hono ny any amin'ny firenena maro eto Eoropa.

Ekena, sy rariny, ny eritreritra dia be dia be. Fa ny olana dia Italia tsy toy ny firenena maro eto Eoropa. Italia dia mbola mitovy amin'ny firenena maro any Afrika. Voalohany aloha dia be loatra ireo vahiny tsy manana taratasy eto Italia. Misy amin'izy ireo no efa an-taonany maro no teto fa ny taratasy fotsiny no tsy ananany. Sarotra noho izany ny hanao bambaray izay hosamborina. Faharoa dia tsy ampy ny foto-drafitr'asa izay hanenjehana ireo vahiny tsy ampy. Tsy nivonona tamin'izany mihitsy ny Italiana. Ny fakony aza tsy hainy ny manadio azy hatramin'izao. Fahatelo, raha tena hosamborina tokoa aza ireo vahiny ireo dia aiza no hametrahana azy? Ny fonja eto dia tahaka ny any Afrika ihany, efa feno. Ary farany, raha horoahina daholo ireo vahiny ireo dia ho velona ve ny Italiana? Ny vahiny, ary ny vahiny tsy manana taratasy indrindra indrindra, no mbola manao ny ankamaroan'ny asa eto Italia. Hatramin'ny fanamboarana trano, ny fitaizana antitra, ny fanampiana any an-trano sns. Ny Italiana mantsy, tahaka ny ankamaroan'ny Afrikana ihany, dia sady kamo no kely vola. Koa aleony manakarama olona tsy manana taratasy izay tsy manam-pidiny.

Koa raha ireo no jerena dia sarotra be ho an'ny Italiana ny handroaka na hisambotra ny vahiny rehetra tsy manana taratasy. Ary amin'izao dia efa hita sahady fa manomboka miova tsikelikely ny famaritana ilay hoe vahiny tsy manana taratasy. Efa misy ny miteny hoe, ireo izay tsy manana asa. Misy ny miteny hoe ireo izay manao ratsy ihany, tratra mangalatra na mamporisika ny hafa hivaro-tena. Satria efa hita sahady fa ho sarotra ny  hanatanteraka ilay fampanantenana tamin'ny fifidianana.

Koa inoako fa zavatra tsotra ihany no azon'ny Italiana hatao. Na mijanona amin'izao fomba itovizany amin'ny Afrikana izao, izany hoe tsy mivaky loha fa avela ny vahiny hanao ny tsy rariny rehetra, miditra izay te hiditra dia mivoaka izay te hivoaka. Izany hoe baranahiny sy tsy firaharahiana. Na ny mifanohitra amin'izay, omena taratasy ara-dalàna ireo izay ara-dalàna sy miezaka ho ara-dalàna ary saziana kosa izay manao ny tsy mety, na manana taratasy ara-dalàna na tsia. Sady ireo vahiny ireo, rehefa miasa ara-dalàna, dia mampiditra vola ho an'ny fanjakana. Eto Italia mantsy no anisan'ny ambony indrindra ny taxes aloan'ny olona miasa, efa 30%-n'ny karamanao dia an'ny fanjakana daholo. Ary ireo vahiny ireo, rehefa manome vola ho an'ny fanjakana dia tsy dia miandry valiny firy, tahaka ny Italiana. Raha voatery mandoa ny latsakemboka ho an'ny fisotroan-dronono izy, dia vitsy dia vitsy, raha misy, no tena handray izany vola fisotroan-dronono izany rehefa antitra.

Ny eritreritra hafa ankoatra an'ireo dia toa eritreritr'ilay sahobakaka ambodiriana fotsiny.

---

Misy anaran-tanàna iray ao Ambatomena (avaratr'Antananarivo) ao atao hoe Ambodiriana, avy any ny Zaobavinay anakiray. Dia tamin'ny nanao fisehoana tany izahay dia nitady mafy an'ilay sahobakaka i papa fa tsy nahita... tadidin'ise? :-p

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry