« | »

Tolotra Boky sy CD Informatika

2008-05-20 @ 10:25 in Informatika

Efa volana vitsivitsy izay dia mandefa Boky sy CD any Madagasikara ny infogasy.net. Amin'izao fotoana izao dia miara-miasa mivantana amin'ny Telomiova.org ry zareo amin'izany ary nomena anarana hoe Tolotra Boky sy CD ilay hetsika.

Hitohy izany ny fandefasana boky sy CD momba ny informatika any Madagasikara. Ny boky na ny CD dia mitoby ao amin'ny mpikamban'ny Infogasy/Telomiova iray any Madagasikara ary azo indramina maimaim-poana.

Jereo eto ny resaka efa nandeha momba ny Tolotra Boky sy CD ao amin'ny infogasy.net

Te handray anjara?

Raha te handray anjara amin'io Tolotra Boky sy CD io ianao dia ireto avy ny zavatra mety ho azo atao:

- Manangona izay boky na CD momba ny informatika, boky tsy dia tranainy loatra, izay hitanao hoe mety hahaliana ireo Malagasy any Madagasikara dia mifandraisa amin'ny Telomiova.org [email protected] momba ny hanaterana azy.

- Mitondra ireo izay boky voaangona mandeha any Madagasikara. Na dia boky iray monja aza no voarambin'ny tanana dia efa zava-dehibe. Mifandraisa amin'ny [email protected] rehefa mba mandeha any Madagasikara.

- Manaparitaka ireo boky sy CD. Hatramin'izao aloha dia olona iray no ivantanan'ny boky sy CD any Madagasikara. Fa fanohananao sy fandraisanao sahady amin'ny tolotra ny fanaparitahanao azy ho fantatr'ireo Malagasy mety ho mila ny boky.

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa mivantana amin'ny [email protected] na ny [email protected]

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry