Euro2008: Mody ny Italiana

2008-06-23 @ 07:33 in ItaliAfrika

Eritreritra fohifohy sendra taorian'ny naharesen'i Italia alina.

Azo atao hoe tsy ao intsony ireo mpilalao italiana ireo fa tsy tahaka ny tamin'ny mondialy farany teo. Io no tena hadisoan'ny mpanazatra... satria izy no mpifidy mpilalao. Kanefa iza moa no mpilalao hofidina eo raha tsy misy? (tohiny)

Resy Italia Faly ny "Italiana"

2008-06-10 @ 10:55 in ItaliAfrika

Resin'i Holandy 3-0 (telo sy donga) i Italia omaly. Tahaka ny lehilahy rehetra dia mba tia mijery baolika kitra koa aho... ary manaraka sy tsy azo tabatabaina mihitsy rehefa fifanitsanana lehibe toy ny CAN, Euro, Mondial. Omaly ary dia ny ekipa Holandezy sy ny Italiana no nihaona. Fidirana voalohan'ny Italiana tamin'ity Euro 2008 ity. Fantatsika ny vokatra, resy 3-0 i Italia.

Fa ny tena nahagaga ahy, isaky ny misy baolina miditra dia misy mihoraka be foana. Kanefa tsisy Holandé mipetraka akory eny aminay eny. Dia rehefa nalefa ny eritreritra dia hoe misy tsy maka Italiana maro ny mpjery eny amin'ny manodidina anay eny... ary tsy matahotra atao hoe tsy maka ekipa Italiana. Toerana be vahiny mantsy eny, ka amin'izao mampafanafana ny resaka vahiny eto Italia izao dia atao daholo koa izay fomba rehetra hampisehoana ny fankahalàna ny governemanta. Dia afangarondry zalahy indray izany ny resaka politika sy ny resaka sport. Halako bika tsy tiako tarehy fotsiny izao.

Italia: Sahobakaka ambodiriana

2008-05-27 @ 08:48 in ItaliAfrika

Anisan'ny fomba fiteny malagasy ilay hoe manao sahobakaka ambodiriana (ny tohiny dia be dia be :-)). Ny sahobakaka ambodiriana dia ireny sahobakaka miezaka mitsambikina hihoatra riana ireny kanefa tsy afaka. Ny eritreritra be dia be fa ny hoza-pe no tsy maharaka. (tohiny)

Ny Italiana sy ny Eoropeana

2008-04-24 @ 18:20 in ItaliAfrika

Ity sarimihetsika kely ity dia namboarin'i Bruno Bozzetto izay Italiana. Mampiseho ny mahasamihafa ny Italiana amin'ny Eoropeana hafa... na ny marimarina kokoa, ny mampitovy ny Italiana amin'ny Afrikana :-)

 (tohiny)

Masoandro mihiratra

2008-02-22 @ 12:29 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika

Mbola tsy tonga ny lohataona (printemps, primavera) aty Italie kanefa efa manomboka miposaka sahady ny masoandro... nangina ny tontolo nandritra ny fotoana vitsivitsin'ny ririnina... dia nangina koa ny blaogiko. Nifoha kely izy izao... fa nisy masoandro kely indrindra  vokatry ny tel voaray vao teo. (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry