Video: Atolotro anao

2010-10-19 @ 07:11 in Izaho sy ny ahy, ItaliAfrika, Mozika

Sady mi-blaogy ihany aho no mametraka ny video weekend. Androany vao nivoaka ny video weekend tamin'ity indray mitoraka ity fa tsy tratra :-) Angaha rahateo moa nisy mahatsikaritra hoe tara :-p.  (tohiny)

Nankaiza ny olona tsara tety?

2010-10-14 @ 22:10 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Omaly dia niseho tamin'ny gazety ary nalaza be tamin'ny vaovao hatramin'ny androany ny momba ilay vehivavy romena iray nasian'ny bandy iray totohondry teo amin'ny tavany tamin'ny zoma teo ka tonga dia latsaka en coma ary mbola miady aina amintsika miteny izao. Marina fa mety nisy ny ady am-bava teo amin'izy ireo nivoaka avy ao amin'ny metro fa maika loatra ny tanan'ilay ranamana ka izao nandratra olona izao. Miala tsiny nanoratra sy nangata-pamelàna izy rehefa avy eo hoe tsy nampoiziny ny zavatra nitranga saingy efa tara loatra hoy ny fianakaviana.

Zavatra vitsivitsy no nifangaro tao amin'ilay tantàra ka nahatonga io lohateny io. Ankoatry ny adin'izy roa, izay ilazàna foana hoe izay mikasi-tànana dia diso sy azo torìna hatrany, dia nisy zavatra hafa nitranga. Rehefa latsaka tamin'ny tany taorian'ny totohondry ravehivavy dia nijanona minitra maro teo amin'ny tany, nojeren'ny mpandalo fotsiny, vao nisy nanavotra. Raha nisy namonjy avy hatrany angamba izy mety tsy dia ho lalina loatra ny fahavoazana. Fa dia naninona loatra? Tahotra ve? Sa dia efa tsy nisy fo intsony izay nandalo? Mora tokoa aloha no mifanome tsiny fa raha toa ka teo amin'ny toeran'ireo mpandalo ny tena dia inona no ho natao? Impiry tokoa no misy olona mitsiràra eny Analakely, eny Behoririka, eny Besarety, kanefa dia dinganina fotsiny? Mety hoe mamo, matory, sns. fa raha sanatria ka mila vonjy?

Araka ny nolazain'ny lehiben'ny commune eto Roma dia hohenjehina araka ny lalàna manasazy ny "tsy famonjena olona tra-doza" ireo rehetra nandalo fotsiny tamin'iny fotoana iny.

Taingim-be

2009-07-17 @ 08:01 in ItaliAfrika

http://farm4.static.flickr.com/3109/3221503249_df42eca435.jpgTsy hoe mirehareha amin'ny taingim-be any Madagasikara akory fa rehefa samy hifanesika ihany dia aleoko indray ilay mikiraviravy amin'ny bus toa izay tahaka ny omby ohatr'itony aty Italiafrika itony. Ny nahatonga ity gidragidra ity dia satria nofoanandry zareo ny train anakiroa teo aloha (noho ny toetr'andro hono) dia voatery misisika toa izao ny olona.

Ny fofona amin'io an grrr :-)

Omeo an'i Sezara...

2008-10-19 @ 05:04 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Somary nanindrona ahy ny teny voalaza ao amin'ny baiboly izay hovakiana ho an'ny katolika eran-tany androany. Ah, mety misy tokoa ny tsy mahalala fa ho an'ny katolika Romana dia fombam-pivavahana iray ihany no iraisana eran-tany. Izany hoe mitovy avokoa ny teny ao amin'ny baiboly izay re eran'ny fiangonana androany. Ka androany dia ilay hoe "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara" (Jereo eto) no ho heno.  (tohiny)

Fitaterana eto Afrika

2008-06-27 @ 05:19 in ItaliAfrika

Efa ela mihitsy aho no te-hizara aminareo ny fitaterana eto ItaliAfrika fa izao vao vitako... sady nisy sary nahafahana nanohana ny fitarainana Smile

 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry