« | »

Omeo an'i Sezara...

2008-10-19 @ 05:04 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Somary nanindrona ahy ny teny voalaza ao amin'ny baiboly izay hovakiana ho an'ny katolika eran-tany androany. Ah, mety misy tokoa ny tsy mahalala fa ho an'ny katolika Romana dia fombam-pivavahana iray ihany no iraisana eran-tany. Izany hoe mitovy avokoa ny teny ao amin'ny baiboly izay re eran'ny fiangonana androany. Ka androany dia ilay hoe "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara" (Jereo eto) no ho heno.

Tena indraindray mitovy fanontaniana amin'ilay rangahy ao amin'ny Baiboly aho manao hoe "Mety ve ny mandoa hetra?". Indrindra ho an'ny eto Italia izay firenena afrikana? Mahakivy mihitsy mantsy fa vola efa ho firy isanjatony amin'izay rehetra atao dia hetra ho an'ny fanjakana daholo kanefa toa tsy misy fiantraikany eo amin'ny fiainana andavanandro akory. Asa, mankaiza daholo ny hetra naloa. Mahamenatra mihitsy indraindray rehefa mba mitondra mpizahatany. Ny ahy tonga dia teneniko hoe "hizaha inona moa no nandehananareo taty?" dia lazaiko avy hatrany hoe "Tonga soa eto Afrika". 

Ohatra iray fotsiny. Isanandro isanandro, tsy misy andro iray maningana, dia tsy mba misy fotoana na iray aza mba hahafahanao miteny hoe afa-po amin'ny resaka fitaterana. Na tara ny train, na misisika be loatra tahaka ny sardines satria tsy nanaraka ora ilay teo aloha. Na koa dia maloto sy misy fofona hafahafa, vokatry ny fahasimban'ny chauffage ao anatiny dia manjary misy fofona gaz. Ny trano fivoahana moa amin'izany dia tsy lazaina intsony. Ary dia imbetsaka ry zalahy no mitokona. Dia izany ve no handoavana vola? Koa dia nanapa-kevitra aho efa ho 3 volana izay hoe tsy handoa billet-n'ny train intsony satria tsy mba mahafa-po mihitsy ny zavatra atolony. Raha tonga moa ny mpisava, izay mbola tsy tonga mihitsy, dia vonona aho handoa sazy. Efa tsy maty antoka rahateo aho na mandoa sazy aza satria efa ela ihany no tsy nandoa tapakila.

Dia mety ve ny mandoa ho an'i Sezara raha toa izany ny zava-mitranga? 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry