« | »

Anaty linux tanteraka

2008-10-20 @ 05:16 in Informatika, Fampianarana

Efa ela ihany aho no nieritreritra ny hiditra lalindalina amin'ny linux. Tsy dia noho izy hoe maimaim-poana loatra (satria hatramin'izay aho mbola tsy nividy Windows koa) fa noho izy azo amboarina araka izay tianao hanaovana azy. Io lafiny io indrindra ohatra no ahafahana mamelona indray ordinatera efa tsy miasa intsony satria tsy mahazaka windows.

Velona ary izao ny ordinatera linux voalohany ato antrano. Tsy dia hotehirizina loatra fa natao hianarana mihitsy. Ordinatera tranainy pentium 2. 300mhz. Ny RAM tonga dia notovonako ho 256mb.

Debian etch no ampiasaiko... miaraka amin'ny fluxbox.

  • Nalaina aloha ny Debian dia natao anaty CD http://www.debian.org/CD/netinst/ 
  • Natao ny installation'ny Debian etch
  • Rehefa vita dia nampidirina ny xserver
    #apt-get install xserver-xorg-core xorg
  • Nampidirina ny gdm rehefa avy eo (login manager)
    #
    apt-get install gdm
  • Nampidirina ny fluxbox
    #
    apt-get install fluxbox
  • Dia vita :-)
Tsy haiko na hahafapo fa afaka mampiasa internet tsara aho ary matanjaka tsara ilay izy.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry