« | »

Ampio ny serasera.org

2008-10-28 @ 22:40 in Serasera.org

Nisy bandy izay, angamba lanaky ny totoafo amin'ny fangatahana fanampiana ho an'ny serasera.org, dia nahavatra niteny mihitsy hoe: "Izahay rehefa manao site tsy mba hangataka etsy sy eroa." Tsy haiko aloha na niova adiresy ilay site-n'i leiry fa tsy hitako popoka intsony.

Tsy hoe mirehareha aho akory raha mangataka fanampiana ho an'ny serasera.org. Kanefa tsy menatra koa. Fantatro fa tokony hahavelon-tena ny serasera.org, kanefa tsy mahavelontena aloha izy amin'izao fotoana izao, na dia anisan'ny takelaka malagasy be mpijery aza ary manana mpikambana 25.000 malagasy daholo.

Fa maninona tokoa moa ny serasera.org no tsy mampidi-bola?

- Satria takelaka miteny malagasy tanteraka kanefa aty ivelany ny mpikarakara. Raha resaka dokam-barotra dia tsy manintona mpanao dokam-barotra loatra ny serasera.org satria miteny malagasy tanteraka. Betsaka ny mpitsidika kanefa toa tsy "cibles commerciaux" ho an'ireo mpanao dokam-barotra mahazatra. Ireo mpanao dokam-barotra tsy zatra internet anefa dia vao ilaina resena lahatra, ary any Madagasikara ny ankamaroan'izy ireny ka sarotra ny fifandraisana.

- Dia satria koa angamba mbola tsy mirindra tsara foana ny fitantanana ny serasera.org. Izao izahay vao mieritreritra ny hiara-mitantana be be kokoa. Miara-mikahondoha amin'izay zavatra azo atao. Mazava ho azy mantsy fa rehefa olona tokana, na olona maromaro mitsitokatokana no mitantana zavatra iray dia miparitaka ny hevitra fa tsy mivondrona. Sady lasa tsy vaindohan-draharaha fa betsaka ny zavatra manahirana. 

- Angamba koa, satria maimaim-poana no natao teny baiko... maimaim-poana no atolota dia maimaimpoana koa ny raisina.

Ka izay indrindra no tsy maha menatra ahy mamerimberina foana hoe ampio ara-bola ny serasera... satria mivelona amin'ny maimaim-poana.

Raha vonona ary ianao dia tsindrio eto 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry