Italia sy ny fandraisana vahiny

2011-04-06 @ 23:28 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Efa firesako eto amin'ny blaogy matetika ny teny hoe Italiafrika izay iantsoako an'ity firenena ipetrahako ity. Italiafrika satria na dia aty Europa aza izy dia mbola toe-tsaina Afrikana ihany no ao anatiny. Ary tena Afrikana tokoa na amin'ny ratsy na amin'ny tsara.

Anisan'io lafiny tsara io indrindra ny fahaizana mandray vahiny. Marina fa betsaka ny resaka heno sy hita hoe mpanavakavaka volon-koditra sns ny Italiana. Toa fiarovan-tena amin'ny fari-pananan'ny tena anefa no tena anton'iny. Ilay hambom-po tiana aseho ety ivelany amin'ny maha Eoropeana fotsiny. Fa ao anatiny, tena lalina, dia tia mandray vahiny ny Italiana... Tahaka ny Afrikana.

Aiza tokoa moa eto Eoropa afatsy eto Italia no misy hoe tsy manana taratasy ianao miditra eto fa rehefa mahita asa dia mahazo taratasy ara-dalana indray? Isan-taona izao dia misy fomba hahafhan'ny vahiny monina tsy ara-dalana mahazo taratasy ara-dalana. Ireny olona tonga amin'ny sambo tsy nilentika hitanareo amin'ny fahitalavitra rehetra ireny, sy ireo tonga ara-dalana fa avy eo nanao sambo nilentika tsy niverina nody intsony, dia betsaka no efa manana taratasy fijanonana aty ara-dalana, ary ireo mbola tsy nahazo dia manana fanantenana fa mbola ho avy ny anjarany. Eto Italia izany dia mbola misy foana ny fanantenana fa tsy toy ny any amin'ny tany hafa.

Toa izany koa amin'izao fotoana fitobaha'ny Toniziana sy Libiana miditra eto Italia izao dia mbola hita taratra indray ilay toetra mpandray vahiny. Izay tonga eto Italia dia raisina aloha dia avy eo vao dinihina hoe atao ahoana. Karakaraina, anamboarana fialofana, omena sakafo... Tambatambazana hihinana mihitsy aza ny sasany. Hita tamin'ny vaovao ireo Toniziana omena "pates" sy trondro dia mimenomenona hoe misy fofona. Dia niezaka nandresy lahatra mihitsy ilay nizara an'ilay sakafo nihinana sy nampiseho hoe tsy ratsy ilay sakafo. Raha olon-kafa dia angamba nanompa mihitsy satria efa sady tsy ara-dalana no mbola iantohana sakafo maimaim-poana, no mbola be menomenona ihany. Ary hita taratra izany satria ireo izay miezaka mitsoaka any Frantsa dia tsy voaray toa izany. Izay tratra tonga dia averiny aty Italia.

Mandrayvahiny ihany izany ny Italiana...

Fa hafa mihitsy, efa hain'i Aina sahady indray ny tapany voalohany amin'ny hiram-pirenena Italiana. Mikoropaka noho izany izahay ka nanapa-kevitra handefa tsy ankijanona ny "Ry tanindrazanay malala" amin'ity herinandro ity.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry