Toa handresy ihany Italia
Tsy dia betsaka ny nampiditra ny Italiana ho ao anatin'ny pronostika. Bresil, Allemagne, France, Angleterre sns... Nony tafiakatra 1/2 finale ny Italiana vao niteny i Platini hoe France-Italie no hanao ny finale.
Fa raha izao no jerena dia toa ho lasa lavitra ihany ny Italiana. Vao nanomboka ny baolina androany dia efa hita ny mety handresena na haharesy ny Italiana. Isaky ny manao ny filalaony izay hafa tanteraka amin'ny filalaon'i Allemagne i Italie dia mahazo tombony foana. Filalao somary malaky sy somary mikorontana. Ny Allemands mantsy zatra ilay filalao mirindra sy miadana. Io filalao mikorontana sy haingana kokoa io no nahafatesan'i Grosso sy Del Piero tampotampoka.
Mety ho hita sahady izany ny vokatra amin'ny finale. Raha i Frantsa no mifanandrina aminy dia mety ho resiny satria mitovy filalao amin'i Allemagne ireny. Raha i Portugale indray dia mety hifampitady.
Dia ho hita eo... fa amin'izao aloha dia tsisy hatoriana mihitsy ny tabataba any ivelany any.
07/04,2006, at 22:27
Visit fraz
Tena nahafinaritra ahy ny lalaon'i Italia omaly iny, tena afa-po tanteraka aho ary mitombina mihitsy ny fandreseny. Lalao mailamailaka, mavitrika, mirindra, ny défense izany tsy misy hidirana mihitsy, oharina amin'ny Allemagne manao lalao meda be (tsy nampoiziko hoe ohatran'ireny ny filalaon-dry zalahy), mamonjy maka sisiny foana dia manao herim-botany be avy eo.
07/05,2006, at 00:22
Visit jentilisa
Tena tahaka ireny mihitsy no nahazatra ahy rehefa mahita ny alemana. Tsy mpanao valim-panafihana izy fa miadana tokoa...ny firindrany indray dia izay no maharatsy na mahatsara ny lalaony.
07/05,2006, at 09:12
Visit voromailala
Mahafinaritra aloha ny lalaon Italie, tena le pasipasy dry zalahy tena ohatra hoe manao pasy mikipy.
mety hoe Italie France izany finale. Matetika ny olona maka ny ekipa any amin'izay tany misy azy :-)
07/05,2006, at 22:11
Visit Tadio
Ohatran'ny hafahafa be kosa raha i Hery no haka Lafrantsa amin'ny lalao famaranana eh. TSy voatery koa anefa ry Hery sa ahoana?
Mba niandrandra fahagagana aho hoe mba ho i Italie sy Portugal no hiady ny lalao famaranana d i Portugal no handrombaka ny amboara eran-tany. Mba miala amin'ny mahazatra eh saingy indrisy...
07/06,2006, at 02:32
Visit nikopol
Samy ekipa be strategie ireo ka mety hiady tsara. Miakina amin'ny hoe amin'ny firy ny baolina voalohany no maty. Fermé be io jeu io amin'ny voalohany raha mbola tsy misy baolina maty satria samy milalao jeu defensif daholo.Tsy miasa matetika ny goal amin'ny voalohany fa coups de pieds arrêté na contre no hamonoana baolina.
Mety ze reraka aloha no resy na ze misy elements ray na roa tsy maharaka fizikement. Raha izay kalo dia i Italie no hitako mety mamana fraicheur kokoa e! Saingy raha en forme tsara ny milieux frantsay mety hiady be ny baolina.
Za na izany aza mahita fa ny frantsay handresy, mety resaka moral ilay izy. Mety manana tombony kely ny frantsay amin'ny moral satria ny italiane tsy naharesy azy mihintsy hatramin'ny 1978. Indrindra fa ra penalty no hiafarany.
07/06,2006, at 14:38
Visit lapino
Tsy maintsy mandresy mandritra ny 90 min ny frantsay, na farafahatarany amin'ny fanalavam-potoana. Fa raha penalty no hiafarany, dia maka italiana za kle! Barthez vs Buffon!