Da Vinci Code, hijery sa tsia?

2006-05-20 @ 20:11 in Ankapobeny

Nivoaka teto Italie nanomboka tamin'ny zoma teto ny Codice Da Vinci, izay film anisan'ny be mpiresaka indrindra amin'izao fotoana izao. Miakatra anefa ny polemika momba an'io film io satria betsaka ireo kristianina no tsy manaiky ny sary omena an'i Jesoa ao anatin'ilay film... nanambady sy niteraka sns. Ary indrindra ilay resaka hoe afenin'ny Fiangonana izany fa fantany.

Miala bala mafy ry Ron Howard, mpanatontosa ny sarimihetsika, sy Tom Hanks, izay mpilalao ao anatiny, hoe tantara noforonina (fiction) fotsiny io fa tsy resaka fivavahana mihitsy ka tsy tokony hisy olana (raha misy olana tokoa mantsy dia tsy tafaverina ny vola be nolaniana). Dia hoy aho hoe, raha nanao tantaran'i Mahomet ry zalahy (inoako fa tsy ho sahy mihitsy), ka ohatra hoe Mahomet natao pedophile fotsiny (mety mitovitovy lanja amin'ny hoe Jesoa manambady angamba izany) dia hanaiky mora foana ve ny silamo raha lazaina hoe "tantara foronina fotsiny io fa aza tafitohina ianareo"? Inoako fa efa ady lehibe fahatelo no nipoaka

Koa hijery aho ve sa tsy hijery? Hijery aho fa tsy handoa vola any amin'ny Cinema. Rahampitso ihany aho dia hitady an'ireny DVD entin'ny mpanao pirates ireny dia hividy... 5 euros dia mahazo. Dia miaraka mijery eto izahay au lieu de mandany 15 euros any amin'ny salle. Eto Italia rahateo dia malaza io resaka io, tsy maintsy tonga eny amin'ny trottoir io film io satria misy mitondra camera any amin'ny salle manao copie (lafiny iray maha pays du tiers-monde an'i Italie io). Rehefa mahita aho dia ho ripper-ko dia hapetrako amin'ny eMule... inoako fa efa any ho any rahateo io. Raha misy mila dia hanaovako copies betsaka mihitsy. Izaho indray tsy hanao izay hampanankarena andry zalahy amina resaka polemika. Raha misy mila dia alefako paositra.

NB: Fiction fotsiny io paragraphe farany io fa sao dia gaga ny CIA an

Ity misy critique manafinaritra momba ny film :-)

http://www.movie-reviews.colossus.net/movies/d/davinci_code.html 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry