Tonga soa... cousine :-)

2006-04-25 @ 22:07 in Ankapobeny

Gaga be aho androany fa nahazo email izay tsy nampoizina mihitsy. Email tany amin'izay cousine kelinay izay. Tena mbola kely izy tamin'izaho tany Madagasikara fa ny taona moa mandroso ary ny ankizy koa maroroka ka inoako fa efa lehibe tokoa izy izao nanoratra tamiko izao.

Dia tahaka ny tanora rehetra ao Madagasikara (:-)) dia niditra tao amin'ny namana koa izy ary gaga hono nahita hoe ao aho... dia nanoratra. F... no anarany (aleo afenina ny anarana fa sao wazandry zalahy :-D). Ny tena nahatadidiavako an'i F... be lelo kely sy nahatsapako hoe na mbola kely aza izy dia efa matotra tanteraka dia tao anatin'ny toe-javatra somary mampalahelo ihany . Tonga tany antrano izy nilaza hoe maty ny tantine-ny (Izay tantine-nay ihany koa). Nandondona izy, dia i mama no nanokatra, dia tonga izy dia niantsampy teny antratran'i Mama sady nitomany no nilaza ny zava-doza nitranga hoe maty accidentée. Gravy koa tamin'izay satria dia dia efa nifamory daholo ny fianakaviana fa ho any Toamasina haka ny razana. Kinanjo niantso avy any Toamasina soa amantsara ity tantine nilaza fa tonga tsy nisy olana. Tsy tao anatin'ilay fiarakodia niharan-doza izy ary ilaly vehivavy maty tao dia tsy izy fa nitovitovy aminy fotsiny. (...) Fa niraikitra tao antsaiko foana iny fihetsik'i F... niantoraka teny amin'i Mama iny.

Tonga soa cousine a... boribory marina ny tany internet. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry