Baiboly andro aman'alina

2008-10-05 @ 22:08 in Ankapobeny

Misy zavatra mampientam-po eto Roma amin'ity herinandro ity. Nanomboka androany tamin'ny 7 ora hariva teo dia vakiana tsy ankijanona hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ao amin'ny fiangonana iray ny Baiboly. Ao amin'ilay Bazilika "Santa Croce in Gerusalemme" no anaovana an'izany ary olona avy amin'ny firenena samihafa, finoana samihafa, sokajy samihafa, no mifandimby mamaky ao.

Ny Papa Benoà XVI no nanomboka azy tamin'ny bokin'ny Jenezy toko voalohany. Tsy misy resa-be fa dia mamaky sy mihaino fotsiny. Efa nifandimby namaky teo ny Jiosy, ny Ortodoksa, ny Protestanta, ny artista, mpanao politika, olo-malaza isan-karazany.

Tsy dia lavitra loatra ny toeram-piasana io ka handalondalo ao mandritra ny herinandro. 

Ho an'izay tsy eto Italia moa dia afaka manaraka izany mivantana ao amin'ny adiresy http://www.labibbiagiornoenotte.rai.it na dia amin'ny teny italiana manontolo aza izany.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry