« | »

Tetikasa fanorona - teti-panorona

2006-05-24 @ 23:10 in Ankapobeny

Angamba dia misy gaga mihitsy hoe inona daholo ity tetikasa etsy sy eroa ity... toa ny etsy tsy vita kanefa ny etsy manomboka ihany. Efa mahazatra ahy anefa ilay manao zavatra be dia be indray miaraka :-) - ny olona rehetra ve moa tsy toa izany daholo - dia ho hita eo izay hihafarany e.

Ity tetikasa ity, izay tena sérieux mihitsy :-) dia tetikasa iray hanamboarana lalao fanorona amin'ny alalan'ny PHP/MySQL ary mety hampidirana AJAX. Efa mandeha an-dalana eny ihany ny eritreritra... any anaty train aho dia manoratra pejy maromaro mihitsy hanaovana azy. Ary ny tena nahafaly ahy dia iarahana manao amin'i Luc ao amin'ny laterit-productions.com ilay izy ka angamba mety ho tontosa tsara.

Dia sady manao antso avo ho an'izay rehetra vonona ihany koa.
Ny takelaka misy ny tetikasa dia ao amin'ny fanorona.tuxfamily.org 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry