« | »

Yahoo Messenger, Skype, MSN

2006-05-23 @ 22:02 in Blaogy Dev

Vokatry ny fandrosoan'ny teknolojia dia tsy manahirana intsony ny miresaka mivantana amin'ny olona iray na dia lavitra aza. Mila manana internet fotsiny.

Fitaovam-pifandraisana anisan'ny malaza indrindra ahafahana manatontosa izany ny Yahoo messenger, Skype ary ny MSN messenger.

Ny olana anefa dia ohatran'ny telefona finday ihany ilay izy... samy manana ny opérateurs tiany. Ny sasany havanana kokoa amin'ny Yahoo Messenger, ny hafa indray tamana amin'ny Skype ary ny hafa dia tsy mahalala afatsy MSN. Dia ianao izany raha te hifandray amin'ny rehetra dia tsy maintsy mampiasa azy telo... kanefa sady mandreraka ordinatera izany no mandrera-tsaina ihany koa. Tsy maintsy misy safidy koa raha sendra samy mampiasa feo sns. 

Koa ity hevitra ity dia hanehoako ny anton'ny safidiko.

Izaho dia mampiasa bebe kokoa ny Yahoo Messenger (ny pseudo ampiasaiko dia  mpitantana na hery.eugene). Io no misokatra tsy mijanona rehefa misokatra ny ordinaterako. Koa na dia tena tsara aza ny feo avoakan'ny skype, na dia betsaka aza ny namana tiana ao amin'ny MSN... dia mbola Yahoo ihany no tohizako. Inona ny antony?

- Efa ela: fitaovana anisan'ny tranainy indrindra amin'izy telo ireo ny Yahoo Messenger. Efa hatry ny ela koa izany no nananako kaonty Yahoo ka nahafahako nifanerasera tamin'ny alalan'ny Yahoo Messenger.

- Video messenger : Anisan'ny nahasarika ahy indrindra ny video messenger ataon'i Yahoo, ahafahanao mampiseho ny sarinao sy mijery ny sarin'ilay miresaka aminao. Ny mahatsara azy koa dia afaka mijery sary maro ianao fa tsy voafetra amin'ny iray fotsiny. Raha tsy manana webcam ilay miresaka aminao kanefa ianao manana dia afaka mijery anao fotsiny izy. Nanandrana ilay Skype farany aho omaly fa tsy mbola hitako tao ilay resaka video call io. Tsy afaka mampiasa webcam izany ny skype?

- Integration : Azo aseho ao amin'ny Yahoo messenger daholo ny services yahoo rehetra. Azonao aseho eo ohatra ny calendrier, izany hoe hita eo daholo ny fandaharam-potoana androany, eo koa ny task na ireo vinavinan'asa izay tokony hatao. Ary afaka manamboatra modules hafa ianao hiseho eo. Izaho ohatra dia nanamboatra module ho an'ny serasera ka tonga dia hitanao eo ny hafatra vaovao ao amin'ny serasera.

- Messagerie vocale : Raha toa ka tsy ao ianao kanefa misy miantso dia tehiriziny ny hafatra (feo) apetrak'ilay niantso anao. Dia azonao henoina rehefa tafiditra indray ianao. Tahaka ireny messagerie vocale amin'ny finday ireny ihany.

- Multi-profile : Afaka manana profiles maromaro ianao ary indray miasa ireo profiles ireo. Ohatra hoe rehefa connecté ilay mpitantana dia connecté koa izay i hery.eugene sns.

Koa ianareo izay vao hisafidy dia andramo ny Yahoo aloha :-) 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry