« | »

Nandresy hono Italie

2006-06-12 @ 21:59 in Ankapobeny

Na mipetraka eto Italia aza aho dia tsy dia maka italiana loatra rehefa manao baolina ry zalahy. Indrindra moa raha mifanandrina amin'ny Afrikana izy. Teo am-pijerena baolina izahay dia mbola naverimberiko hoe na ny ekipan'i FCB (Footbal Club-n'i Besarety ) aza no mihaona amin'i Italia dia mbola tsy haka Italia ihany aho.

Totti voakapoka dia nivoaka
 

Tokony ho niady mafy ihany ny lalao tamin'iny omaly iny. Lalaon'ny samy tiers-monde tsinona : Italia-Ghana. Fa lanaka ny Afrikana tamin'ny fihodinana faharoa. Ilay baolina matin'i Pirlo aloha dia tsy misy azo kianina fa ilay faharoa an'i Iaquinta dia vokatry ny faharerahana teo amin'ny vodilaharana Ghanese (Kuffour). Betsaka koa ny occasions tokony naharesy ny Italiana saingy ny vintana koa angamba no tsy nananan'ny Afrikana.

Ho hita eo izany ny tohiny amin'ny asabotsy... 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry