Adiresy imailaka @namana.serasera.org
Vokatry ny fanomezana avy amin'ny gmail.com dia manana adiresy miendrika [email protected] 500 izay atolotra ho an'ireo namana izay mangataka izany ny serasera.org.
Raha toa ka tianao ny hanana adiresy [email protected] (ny solonanarana dia ilay solonanarana fampiasanao eto amin'ny serasera.org) dia fenoy ny fangatahana tsindrio eto (Mila mampiditra solonanarana sy tenimiafina namana.serasera.org) . Alohan'izany anefa dia vakio ny tolotra sy ny fepetra.
Ny Tolotra imailaka
- Ny tolotra imailaka dia avy amin'ny google.com (gmail.com) ho an'ny serasera.org.
- Rehefa mameno ny fangatahana ianao dia hanana adiresy [email protected] izay azonao jerena amin'ny http://mailaka.serasera.org na koa amin'ny fitaovana famakiana email toa ny Outlook express sy ny Eudora sns... (Jereo eto ny fanoroana momba izay)
- Ny haben'ny toerana ao amin'ny adiresy imailaka dia 2Go
- 24 ora aorian'ny fangatahana raha be indrindra dia mandeha ny adiresinao.
Ny fepetra ilaina ekena
- Adiresy 500 ihany amin'izao fotoana izao no azo omena. Raha toa ka feno io 500 io dia mijanona ny tolotra.
- Ao amin'ny takelaka fangatahana ihany no ahafahanao mangataka ny hanana adiresy [email protected]. Ny fangatahana hafa alefa amiko manokana sns dia tsy horaisina.
- Raha vao miala tsy ho ao anaty namana.serasera.org intsony ianao dia voafafa ny adiresy imailaka @namana.serasera.org
- Raha manova tenimiafina eto amin'ny serasera ianao dia tsy miova ny tenimiafina ao amin'ny adiresy imailaka. Raha nanova tenimiafina ianao ka tianao hitovy amin'ny tenimiafina fampiasanao eto amin'ny serasera ny tenimiafina ao amin'ny imailaka dia mila milaza aty aminay.
- Ny google (gmail.com) no tompon'andraikitra amin'ny tolotra imailaka ka tsy tompon'andraikitra amin'izay mety ho fahaverezan'ny hafatra ny serasera.org
Raha toa ka vonona amin'izany ary ianao dia manaova fangatahana eto.
Misaotra