Fandefasana lahatsoratra amin'ny email

2011-02-10 @ 01:50 in Ankapobeny

Manomboka izao dia azo atao ny mandefa lahatsoratra amin'ny alalan'ny email hiseho eto amin'ny blaogy. Izany hoe alefanao mailaka amin'ny adiresy izay anao manokana, tsy asehosehonao olona, ny lahatsoratra sy ny sary dia mitranga avy hatrany ao amin'ny blaoginao.

Ahoana no fanao izany?
Rehefa tafiditra ao amin'ny toerana fandrindrana ny blaoginao ianao dia mandehana ao amin'ny "Momba ny blaogy" dia tsindrio ilay hoe Mailaka alefa blaogy. Ao amin'io no hahitanao ny adiresy manokana izay handefasanao ny lahatsoratra. Ny lahatsoratra alefanao dia miseho ao amin'ny blaogy afaka 5 minitra raha ela indrindra.

Raha toa ka tianao hovaina ny adiresy manokana dia misy fomba koa ao hanovana azy.
Ny lahatsoratra dia azonao asiana endrika (gras, italique, loko sns)
Inona ny fepetra?
Amin'izao aloha dia sary iray ihany isaky ny lahatsoratra no azonao alefa. Mbola hihatsara tsikelikely io arakaraka ny fotoana.

Ity hafatra ity izao dia nalefa avy tamin'ny email... miaraka amin'ny sary.




mailtoblog.JPG

Inona foana ity perquisitions ity?

2010-01-14 @ 08:11 in Ankapobeny

Elaela indray izay tsy nanaovako resaka politika izay. Ka hofohazina kely sao matoritory.

Araka ireny hita tamin'ny vaovao antsary ireny dia nosavaina koa ny teny amin'ny trano fonenan'i Ravalomanana omaly. Miaramila amin'ny kamiao mihitsy no tonga teny. Tamin'ny voalohany dia saika tonga dia hiditra tsy nisy mandat, fa nony tonga ny mpisolo vava ny tompon-trano vao lasa indray aloha naka mandat... dia nolazaina hoe ao no miafina izany Radio pirate izany ka hisava.

Ny vokany moa dia tsy nisy na inona na inona (indray) tao, ary niaiky mihitsy ilay minisitra Nathalie Rabe hoe tsy nisy zavatra hita tao dia notohizany hoe ... angamba efa nalaindry zareo tamin'ilay fotoana nandehanana naka mandat (lolll) dia hoe misy lala-miafina ao ka mety nivoaka tany amin'ilay lala-miafina ny olona nitondra an'ilay emetteur.

Zavatra roa ihany no azo lazaina.

Na dia tena "donto" mihitsy ny mpitondra (mety ho izany tokoa aloha), na nisy fikafika maizimaizina tao fa mody notakonana tamin'ny hoe perquisitions.

- Tena donto ve ny HAT?

Raha tadidintsika dia tsy voalohany no misy fahadontoana (absurdité na stupidité) tahaka izao rehefa misy resaka perquisitions. Imbetsaka ny FIS no nanao perquisitions fa naheno hoe misy fitaovam-piadiana etsy na aroa (tadidy ilay teny Ivato? teny @ magazay TIKO?) Ny olona donto ihany no mino hoe raha hanao trafika-na fitaovam-piadiana dia ao amin'ny magazain'ny TIKO no hametrahana azy. Toa izany koa, ny donto ihany no mino hoe mpanohitra HAT manao radio piraty dia ao Faravohitra ao amin'ny tranon-dRavalomanana no hanaovany azy. Satria fantatra fa raha misy ny oaraoara dia ao no hosavaina voalohany. Ka mety hoe donto tokoa ve ny HAT?

- Sao dia fikafika maizina kosa?

Ny ahiahy tsy ihavanana. Raha toa ka tsy donto ary ny HAT nisava tao dia inona no mety ho antony? Sao dia mba...? Sao dia mba...? Ny krizy hono mahalava tanana (ohabolana nandritra ny fotoan'ny HAT io), ka mety hoe fomba iray handrobàna tranon'olona indray ve? Akaiky ny fifidianana, ka mety hoe fomba iray hijerena indray hoe misy osy mainty (sisa nanamborana) indray ve tao? Sa ve efa ho tapitra ny HAT ka jerena ihany sao dia tokony mamono trasy aloha mba tsy handehanana eny Tsiafahy raha sendra mivadika ny kodiarantsarety? Sa ve hoe sao niverina tsimoramora tao Ravalo? lolll

Dia tsy haiko ry zareo fa raha olona normal dia tsy tokony ho nisy akory iny perquisition iny raha toa ka ilay hoe "Hijery fa sao dia ao ilay Radio pirate" no tanjona.Saingy tsy hay intsony moa fa efa krizy izao ka rehefa tsy voa ny kibo dia voa ny saina...

Handeha ve ity milina fanasan-damba ity?

2010-01-07 @ 15:43 in Ankapobeny

Rana any amin'ny toerana tsy misy rano kanefa misy jiro no ametrahana ireny milina fanasan-damba ireny dia mety handeha ve raha toa izao no atao?

Mazava ho azy, ny barika no ampiasaina atao ambony toerana, mety ho ampy ilay tosika ilaina. 

Sambatra izay noana

2009-11-17 @ 09:58 in Ankapobeny, Izaho sy ny ahy

Nanomboka omaly ny fihaonana an-tampon'ny FAO izay vondron'ny firenena mikambana miahy ny ara-tsakafo. Efa hita tselika sahady fa tsy dia hisy vokany loatra ho an'izay tena miandrandra zavatra azo tsapain-tanana ny fivoriana. Betsaka aza moa ireo filoham-pirenena goavana tsy tonga fa angamba nihevitra izany fivoriana izany ho toy ny fandaniana andro ihany. 

Maherin'ny iray lavitrisa hono ny olona noana eran-tany. Izany hoe ny 1/6-n'ny mponina eran-tany... izany hoe raha mahita olona enina ianao amin'ny ankapobeny dia ny iray amin'ireo mijalin'ny hanoanana. Mazava ho azy, tsy hitanao mivantana izay satria tsy mitsinjara akory ilay hanoanana. (Ahitsiko, raha toa ka mahita olona 6 ianao ka tsy mahita olona 1 mijalin'ny hanoanana dia eritrereto hoe any ambadika any izany misy mahita olona 2 mijalin'ny hanoanana ao anatin'ny 6.)

Ny antso avo azo atao ho an'ny tsirairay amin'izao fotoana izao angamba dia ny hoe, rehefa mba tsy noana dia aza manary sakafo. Aza mandanilany foana fa misy olona noana antapitrisany any maniry ny hihinana ny latsaka ao ambany latabatrao.

Fa iverenako ny lohateny hoe "Sambatra izay noana" izay ao amin'ny baiboly (Mt. 5,6) izay raisin'ny mpitory teny anjambany fotsiny vokatry ny fitsimponana andininy ka mampitombo ny fandrebirebena fanahy sy tsy mampitroatra ny voan'ny tsindry hazo lena. Voalohany aloha dia tsy hoe "sambatra izay tsy ampy sakafo" no tiany lazaina satria izy aza nalahelo tamin'ny nahita ny olona noana ka nanjary nanao fahagagana nampitombo ny mofo mihitsy mba hamokisana azy. Fa hoy izy hoe "Sambatra izay noana sy mangetaheta fahamarinana"... dia ny tohiny hoe "fa ho voky izy". Faharoa, raha ampifandraisina amin'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy" dia tsy midika tsy fahampiana fotsiny ilay hanoanana eto, ka mahatonga fahakiviana sy fiononana, fa midika fitadiavana mitarika fanantenana sy fahafaham-po. Farany, ny olona noana no mahita tsirony rehefa misakafo :-)

Hisy tantara izany androany... efa henoko :-p

2009-11-04 @ 09:13 in Ankapobeny, Serasera.org

Hanomboka androany alina amin'ny 20h30 ny tantara ao amin'ny Radiovazogasy.com. Vao fanombohana io ary vao fanombohana ny amin'ity roa volana faran'ny 2009 ity. Noho izany dia indroa isambolana ihany no mbola hisy tantara ary tantara iray ihany no averina henoina amin'ny alarobia fahatelon'ny volana. 

Manana tantara "ordinera" betsaka ny Radiovazogasy, tantara nandeha t@ radio hafa taloha, ary efa saika resy lahatra aho hoe ireny tantara ireny no hamenoana ny banga, kanefa toa mahafinaritra koa ilay "ekstraordinera". Ny maha-hafa kely ny tantara tiana havoaka ato ho ato dia satria "isika" ihany no milalao azy. Izany hoe tsy matihanina fa dia namana mitovy amin'ny tena. Ny tantara holalaovina moa dia izay atolotry ny mpanoratra fantatra na ny namana ihany koa.

Androany hariva ary dia ilay tantara hoe "Antso diso" nosoratan'i FX Manah no handeha. Rehefa henoina dia mahafehy tsara ireo nolazaiko eoambony ireo. Dia mampiteny hoe "Alefaso koa ny manaraka eeee...".

Aza adino ary (tsy maninona na adino aza fa mbola misy @ tapabolana), androany alina amin'ny 20h30 dia averina indray amin'ny tapabolana amin'ny 20h30.

Ny sosokevitra alefaso ihany rehefa avy mihaino :-) 

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry