« | »

Plugoo sao dia mahasoa

2007-05-10 @ 08:54 in Ankapobeny

Efa manomboka miely ny fitaovana fametrahana hafatra mivantana izay karazana chat fa apetraka amin'ny site. Fa ity anakiray ity no hitako mahafinaritra indrindra amin'izao fotoana izao... ny anarany dia Plugoo ary ny misy azy dia ao amin'ny Plugoo.com.
Toa izao no mombamomba azy:

- Ny Plugoo dia fitaovana iray izay azonao apetraka amin'ny site-nao (na ny blaoginao). Dia manoratra eo ny olona dia voarainao mivantana amin'ny adiresinao na amin'ny Messenger-nao.

- Ny Plugoo dia afaka miasa amin'ny messenger isankarazany. Izany hoe na Yahoo na MSN na Gmail na @serasera.org ny adiresinao dia afaka mampiasa Plugoo ary afaka resahin'ny olona.

Aleo ny ohatra avy hatrany no haseho hahitantsika azy. :-)

Rehefa mametraka ny adiresinao any amin'ny Plugoo ianao dia mahazo rohy toa izao:

http://www.myPlugoo.com/145HG0PYO0Y

Raha vao sokafana fotsiny io adiresy omeny io dia misokatra ny fitaovana hiresahana

Raha tianao hampidirina eto amin'ny blaogy.com io fitaovana io, tahaka izay hita eto ambany, dia raiso ilay CODE farany eo amin'ilay adiresy omen'ny Plugoo (ohatra ilay etsy ambony 145HG0PYO0Y) dia atao aorian'ny http://www.plugoo.com/plug.swf?go=

Izany hoe toa izao ny rohy azo: http://www.plugoo.com/plug.swf?go=145HG0PYO0Y

Dia avy eo tsindriana ilay sary kely media eo amin'ny fanoratana dia apetraka ao ilay rohy azo. Dia toa izao ny vokany. Aza adino ny mametraka ny lavany sy sakany (160 x 300)

 

 

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry