Ranomafana gratuit

2021-05-12 @ 23:49 in Eritreritra mandalo

Nanohina ahy fotsiny ity sary ity dia tehiriziko ato. 

Tsy misy mpanao pôlitika mangalatra izany

2020-11-23 @ 17:55 in Eritreritra mandalo, Fanatanjahan-tena

Nafana be indray ny vaovao androany hoe nahanton'ny FIFA mandritra ny 5 taona be izao andriamatoa Ahmad Ahmad iza filohan'ny CAF na ny federaziona afrikana momba ny baolina kitra. Izy ihany no Malagasy mba tonga teo amin'izany toerana izany hatramin'izao aloha. Resaka kolikoly, araka ny vaovao, no nahatonga izao fampiatoana azy amin'ny asany izao, satria tsy amin'ny maha filohan'ny CAF fotsiny, izay efa mamarana mandat rahateo izy, fa amin'ny resaka baolina kitra rehetra mihitsy. 

Toa ny mahazatra dia miakatr'afo ireo "tia tanindrazana" ka miantsoantso hoe tsy rariny izao fa fanenjehana ny Malagasy. Misy aza moa no mieritreritra fa fanembatsembanana ny fandroson'ny BAREA izao ataon'ny FIFA izao. Mahagaga tokoa fa isaky ny mba nandroso kely ny BAREA dia misy misompatra foana.

Fa ny manahirana an'ity resaka Ahmad ity dia ilay raharaha tsy vao izao. Iza tokoa moa no tsy nahatadidy fa voatonontonona tao anatin'ilay fanadihadiana nataon'ny Canal+ ny anaran'ny filohan'ny Federasiona malagasy momba ny baolina kitra fahizany, Atoa Ahmad Ahmad. Na dia tsy izy irery aza fa ireo filohan'ny federasiona amin'ny firenena hafa koa, dia anisan'ireo nangataka vola sy nomen'ny Qatari vola izy. Mety hoe tsy misy ifandraisany amin'ny nahazoan'i Qatar ny fampiantranoana ny amboara erantany amin'ny baolina kitra amin'ny 2022. Mety hoe nomeny manontolo ho an'ny federasiona ny vola noraisiny... Fa misy fofompofona kolikoly hatrany ny zavatra tahaka izany.

 

Tsy nisakana azy tsy ho lany filohan'ny CAF anefa izany, saingy nipoaka indray ny raharaha tamin'ny 2019 mbola mikasika kolikoly ihany. Resaka fampiasana vola tsy araka ny tokony ho izy. Nilaza fa nandeha nanao iraka tany Rosia nefa toa tsy tany akory araka ny filazan'ny BBC. Sy ny maro hafa. Ary dia izao niafara tamin'ny fampiatoana azy amin'ny maha filohan'ny CAF izao.

Le président sortant de la Confédération africaine de football a été condamné à l’interdiction d’exercer toute activité relative au football pour cinq ans par la chambre de jugement de la Commission d’éthique indépendante de la Fifa. Ahmad Ahmad est notamment accusé de détournements de fonds.

La décision est tombée sous la forme d’un communiqué publié sur le site de la Fédération internationale de football association (Fifa). Le Malgache Ahmad Ahmad, président sortant de la Confédération africaine de football (CAF) et vice-président de la Fifa, est suspendu pour une période de cinq ans de toute activité liée au football professionnel.

Aleo ny fanadihadiana sy ny fitsaràna no hanambara na meloka na tsia Ahmad Ahmad, fa raha mbola ampidirana resaka politika foana ny resaka fanatanjahan-tena dia tsy maintsy hitranga ny resaka tahaka izao. Aleo ny resaka fanatanjahan-tena hahaleotena.

Na dia tsy mpanaraka baolina kitra malagasy loatra aza ny tenanay, na dia tsy mbola nino hoe mety ho an'ny Malagasy ny baolina kitra, dia mirary tokoa mba tsy hisakantsakana ny BAREA amin'ny lalana lalovany izao zava-mitranga izao.

Ny sarimihetsika malagasy sy Netflix

Tato ho ato dia mahazo vahana ao amin’ny Netflix ny sarimihetsika afrikana. Tantara vokarina na tohanan’ny Netflix manokana. Angamba vokatry ny valanaretina COVID19 satria vitsy kokoa amin’izao ny horonantsary amerikana sy eoropeana noho ny fitandremana tsy ho voan’ny aretina. Misy rahateo ireo mpamokatra sarimihetsika no minia tsy mamoaka ny horonantsariny mba hialàna amin’ny fatiantoka.

Fa ny manaitra dia tantara tsotra, fiainana an-davanandron’ny afrikana no tantarain’ireo sarimihetsika ireo. Mikasika ny kolikoly, ny tsy fandriam-pahalemana, hasin’ny vehivavy. Tsy dia noraisin’ny Netflix ireo horonan-tsary mampalaza ny afrikana mitantara famosaviana izay mampalaza ny mamokatra sarimihetsika Nizériana sy Gahaniana. Toa te haneho hoe miaina fiainana eo anivon’ny fotoana iainany koa ny Afrikana fa tsy voatery hiresaka mikasika ny fomban-drazana sy “folklore” foana.

Dia mampametra-panontaniana hoe hatraiza tokoa ny fivoaran’ny sarimihetsika malagasy amin’izao fotoana izao? Misy vokatra mivoaka foana nefa toa tsy dia tena lalina loatra. Fampihomehezana matetika no votoatiny. Misy ihany ny tsy dia natao hihomehezana saingy tsy mampitaintaina sy tsy manaitra loatra. Angamba tokony hiova lohahevitra amin’izay. Atao mitovitovy amin’ny tantara henoina. Tadidiko ireny tantara taloha nampalaza andry Vahandanitra, Solofo José, Clara, Gégé, Clotilde sns ireny. Mitangorona eo ambody vata fandraisam-peo avokoa ny rehetra. Sarotra be ve ny manatontosa ny toa azy ireny ho tonga sarimihetsika indray? 

Mino aho fa raha manana votoatiny mafonja sy tsara rindra ny sarimihetsika malagasy mety mba ho tafakatra tsikelikely… ary nahoana moa no tsy ho tonga any amin’ny Netflix koa?

Ireto ireo films afrikana vitsivitsy ao amin’ny Netflix mety mahaliana, Adù, La convocation, Azali, Resgate...

 

Famadihana, sisan-taolana, inona no ifandraisan'ireto fomba ireto?

Vao avy nitsidika (na natsidika arakaraka izay tiana handraisana azy) an'i Madagasikara ny sisan-taolana (fa tsy razana na taolam-balo) an'i Mb Therese-n'i Jesoa Zazakely sy ny Ray amandreniny tamin'iny volana lasa iny. Nitety fiangonana sy faritra maro manerana an'i Madagasikara. Fotoam-pialan-tsasatra rahateo ny andro ka maro ireo mpino Katolika no afaka nanararaotra sy nahita izany fandalovany izany na dia tany amin'ny fiangonana kely any ambanivohitra aza. Fotoanan'ny ririnina no nandalovan'izy telo mianaka ka nifanandrify indrindra tamin'ny fotoana fanaovana famadihana amin'ny toerana maro manao izany (ny ao afovoan-tany indrindra indrindra). Dia mipetraka ny fanontanian'ny sasany hoe inona no ifandraisany na maha samihafa ireto fomba roa ireto? Zavatra mitovy ihany ve? Mety tsy dia hahavaly tanteraka aho fa hitondra fanazavana sasantsasany fotsiny ihany.

Ny olona mijery ivelany aloha avy hatrany dia manao hitsin-dalana hoe mitovy. Razam-bazaha sy razan-gasy. Samy milanja razana. Tsy lavina avy hatrany izany satria samy milanja raiamandreny be tokoa. Amin'ny famadihana dia avoaka avy ao am-pasana ny razana, olona efa maty tany aloha be tany, karakaraina, fonosana, mba hampidirina ao am-pasana indray. Ny antony namoahana azy avy ao dia ny fahafahana mandamina ny ao am-pasana, mamono lamba mba tsy hiparitaka. Misy avy eo ho an'ny sasany ny fombafomba manaraka ny famadihana. Lanjalanjaina entina mandihy, , fiaraha-milanonana, fivoriam-pianakaviana. Samy manana ny fomba fanaony, notohizany na navelany ny tsirairay. Ho an'ny sasany dia mitahy izy ireo ka misy koa ny fangatahan-tso-drano sy fangataham-pitahiana. Ireto sisan-taolan'izy telomianaka koa dia olona efa maty tany aloha be tany, navoaka tao amin'ny toerana nametrahana azy, dia lanjalanjaina sy entina mitety faritra. Fifaliana sy fandihizana ihany koa na amin'ny fomba maotina kokoa aza. Ary satria ho an'ny sasany dia olomasina, akaikin'Andriamanitra izy ireto, dia misy koa ny fangataham-pivavahana, fangatahana fahasoavana avy amin'Andriamanitra. 

Raha ireo izany no jerena dia misy itovizany be dia be ireto fomba ireto. Tsy mahagaga anefa izany satria misy azo raisina tsara hifanaraka amin'ny foto-pinoana katolika ny fomba malagasy ao anatin'ny famadihana. Ny Katolika, ohatra, dia mino fa tsy maty ny fanahy... ny Malagasy koa dia manaiky fa ny fanahy no maha olona. Ho an'ny Katolika dia akaiky an'Andriamanitra ny olona izay nanana fiainana mendrika sy azo alain-tahaka. Afaka manampy ny olombelona hitondra ny fivavahan'izy ireo eo anatrehan'i Jesoa izy ireny. I Jesoa irery no mpanalalana, ny fiombonan'ny olona masina kosa izay akaiky ny olombelona ara-tantara, dia afaka mitondra ny vavak'izy ireo sy miara-mivavaka amin'izy ireo. Tsy mahasolo an'i Jesoa ny olomasina ho an'ny Katolika fa tombony ho azy ireo kosa. Satria sady afaka mivavaka mivantana amin'i Jesoa ny mpino no afaka mangataka ny olomasina hanohana sy hanampy izany vavaka ataony izany. Ny olona rehetra tsara sitra-po efa maty izany, na Malagasy na vazaha, izay azo heverina fa efa eo anilan'Andriamanitra, olona masina azon'ny tsirairay angatahana hitondra vavaka. Tafiditra amin'io sokajy io ny Razana izay nanana ny maha izy azy fony fahavelony. Ny mampiavaka ireo razana ireo amin'ireo olomasina ao anaty kalendrie dia ilay habe-n'ny olona voakasiny. Ny Razana dia olona vitsy no nahalala azy, olona vitsy raha misy no afaka manaporofo na mahatadidy fa nanana toetra modely tokoa izy. Mijanona ho mpitondra vavaka sy modelin'ireo olona vitsy (matetika taranany) izay mahatoky izany toetra nananan'ilay Razana izany fotsiny ihany izany izy. Azo ekena ho olona masina izy saingy tsy ambara am-pahibe-maso satria tsy nisy fanadihadiana nahafahana nanamarina ny fiainany. Ny olomasina kosa dia niainga tahaka izany ihany. Ny taranany, na ny olona nahafantatra azy dia niezaka nanaporofo fa tena olona nanana ny maha izy azy sy azo alain-tahaka tokoa ilay razam-beny. Nisy ireo vavolom-belona nijoro, nisy ireo tantara nipetraka. Nisy mihitsy aza ireo sahy milaza sy mijoro vavolombelona fa nahazo fahasoavana noho ny vavaka nataon'ilay razana. Rehefa atao ny fanadihadiana ka mitombona daholo ny fijoroana vavolombelona dia eken'ny Fiangonana fa olona nanana ny lazany tokoa ilay Razana ka ambarany fa olomasina ka azon'ny katolika rehetra hangataham-bavaka sy atao ho fakan-tahaka tamin'ny toetra niainany. Izay maha manokana (ho an'ny Razana) sy maha iraisan'ny rehetra (ho an'ny olomasina) izay izany no tena mampiavaka ny Razana sy Olomasina ho an'ny Katolika. Andriamanitra irery no mahalala ny maha masina na tsia ny tsirairay. Ny velona kosa dia miantehitra amin'izay fijoroana vavolombelon'ireo izay nahalala azy manambara ny toetra tsara niainany. 

Raha toa ary ka mijanona fotsiny amin'ny fanajana ny razana, sy fangataham-bavaka na fiaraha-mivavaka aminy, toa ny atao amin'ny olomasina no atao mandritra ny famadihana dia tsy manohitra izany ny Katolika ary tsy miantso izany ho fanompoan-tsampy. Mazava ho azy, miankina amin'ny tsirairay tanteraka eo imason'Andriamanitra izany. Toa izany koa, raha tsy mijanona fotsiny amin'ny fangataham-bavaka sy fiaraha-mivavaka aminy ny fitodihana amin'ny olomasina ataon'ny mpino katolika, dia efa mivoana ho fanompoan-tsampy indray izany ka ilàna fitandremana. Miankina amin'ny feon'ny fieritreretan'ny tsirairay koa anefa no hahafantarana izany.

Koa mitovy ary ve ireo sary ireo? Miankina amin'ny fo sy toe-panahy entin'ny tsirairay tanteraka eo ampanaovana ireo fihetsika ireo izany.
Raha mahaliana anao ny fiheveran'ny Katolika lalindalina kokoa ny famadihana dia azonao vakiana eto ambany.

Mompera Francois de Paule Randriamanalina sj. dia nanoratra ny thèse-ny mikasika ny famadihana sy ny finoana kristianinaESSAI SUR L'INCULTURATION DE L'ÉVANGILE À MADAGASCAR DU FAMADIHANA A LA CHRISTOLOGIE PASCALE http://www.collectionscanada.gc.ca/obj/s4/f2/dsk1/tape10/PQDD_0019/NQ48113.pdf

(Ny sary dia tao amin'ny kaonty facebook-n'i Alisoa)

Fitehirizana ny rano amin'ny farihy, soa fianatra

2015-08-13 @ 11:04 in Eritreritra mandalo

Nanaitra ahy ny nataon'ny amerikana tany Los Angeles (California) tamin'ity herinandro ity mba hitehirizana ny rano amin'ny tohodrano lehibe iray mamelona ny tanàna. Maina tokoa ny andro amin'izao aty amin'ny ila-bolantany avaratra. Ary ho an'ny tanan-dehibe tahaka an'i Los Angeles dia mitombo ny fandaniana nefa ny loharano tsy misy na kely dia kely. Nahita hevitra ary ry zareo mba hamehezana ny fihenan'ny rano, indrindra vokatry ny fientonan'ny rano noho ny masoandro.

Nasiany baolina plastika mainty kely be dia be, miisa 96 tapitrisa, mitsingevana eo ambonin'ilay rano. Ny tombony lehibe izany dia tsy mientona vokatry ny masoandro intsony ny rano. Eo koa ny fialàna amin'ny loto mety ateraky ny vorona manidina sns. Rehefa natao ny kajy dia betsaka lavitra noho ny tombony ho azo amin'ny rano voatsisy ny vola lany nanamboarana ireo baolina kely be dia be ireo.

Mazava ho azy fa mbola tsy laharam-pahamehana any amin'ny tany mahantra ny toa izao na dia eo aza ny tombony mety ho azo. Mila averina indray ny kajy. Raha ao Antananarivo, ohatra, dia eny Mandroseza no farihy hakàna ny rano hosotroina. Mila kajiana hoe firy ny rano miditra sy ny rano mivoaka, ary firy ny rano mientona am-pitoerana. Dia izay vao afaka mahafantatra hoe ohatrinona isan-taona ny rano very mba hahafahana maminavina hoe lafo sa mora ny manao toa izao amin'ny velaran'ny rano toa an'i Mandroseza.

Fa ny hevitra dia efa hita io.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry