Mamakia... rehefa tsy hanoratra

2007-03-27 @ 09:31 in Eritreritra mandalo

Anisan'ny tia mamaky boky tantara ireny aho. I Mama aloha no tena mpamaky boky, nahavatra nividy sy nanakalo teny amin'ny tohatohabaton'Ambondrona mihitsy (SAS, Fleuve Noir, Series Noires, Agatha Christie sns.) dia gaga aho fa nisy fotoana izay nahavitany mamaky boky iray ao anatin'ny telo na roa andro. Nanontaniako azy hoe ahoana no fomba hitiavana mamaky boky tahaka izany... dia nasainy nanomboka tamin'ny boky teny gasy aloha aho. Ireny boky manify ireny aloha. Tsy tadidiko daholo ny ankamaroan'ny boky nanombohako fa anisan'izany ry "Lozoka HV" sns. Taty aoriana dia nisy series gasy izay efa nanomboka matevina izay (oadray izany fanadinoana) izay naharevo ahy. Boky maromaro izy fa olona iray ihany no tena acteur principal. Raha tsy diso aho dia misy an'izay Inspecteur Andry izay ary ny lehibeny dia antsoiny hoe Ingahirainy. Ny tena nahafinaritra ahy dia ilay tantara miseho amin'ny tanàna fantatro ao Antananarivo.

BokyFa isaky ny mamaky an'ireny boky ireny aho dia talanjona foana amin'ireo fahaizan'ny mpanoratra mampisongadina tsirairay ny zavatra tiany haseho. Alohan'ny hahatongavan'ilay olona amin'ny toerana iray dia voasongadina hatramin'ny fitongilan'ny satrony sy ny fiforitry ny patalohany. Taty aoriana aho dia mba nanandrana nanoratra kely koa... Nanomboka tamin'ny fanaovana identikit-n'ny olona hita eny andalana aloha. Mijery olona iray eny andalana amin'ny ankapobeny dia avy eo maka toerana dia manoratra ny momba an'iny olona iny hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia avy eo nanao identikit olona imaginaire, izany hoe olona tsy misy akory. Ezahina fotsiny tsy ho be filirony loatra fa manjary tsy azo eritreretina. Dia avy eo nanandrana nanao tantara kely. Tantara noezahina tsy hifanandrify amin'ny fiainako mihitsy, fa izany hono no fanazaran-tena tsara indrindra rehefa manoratra. Mbola tadidiko fa tantarana fianakaviana iray, efa-mianaka, ny rainy tsy mody antrano, toa manana fiainana hafa. Ny zanany lahy sy ny rainy no mikarakara ny ao antrano. Ilay vavy kely mbola kely loatra sns... Fa tsy nety vitako ilay tantara. Dia nanapa-kevitra aho tsy hanoratra intsony... fa hamaky ny ataon'ny hafa sisa. Misy safidy iray tsy maintsy atao. Rehefa tsy hanoratra dia aleo mamaky :-)

 

http://farm1.static.flickr.com/140/435959631_459bee7d9d_m.jpg

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry