« | »

Les Confessions: St Augustin

2007-03-28 @ 07:20 in Eritreritra mandalo

Raha nisy ordinatera sy internet tamin'ny taonjato faha 4 dia angamba i St. Augustin no nahavita blaogy voalohany. I St. Augustin tokoa mantsy, ao amin'ilay boky hoe Les Confessions no anisan'ny nanao Auto-biographie voalohany indrindra. Boky mahaliana io Les Confessions io satria ahitana ny làlana izay nizoran'i St Augustin teo amin'ny fitadiavana an'Andriamanitra, jery todiky ny fiainany na ratsy na tsara, ary fiderana an'Andriamanitra noho ny zavatra niainany rehetra.

Augustin sy MoniqueI St Augustin aloha dia teraka tany Thagaste (any Algérie amin'izao fotoana izao) tamin'ny taona 354. Na dia kristianina be aza ny Reniny (Monique izay maty tao Ostia Italie) dia tsy mba nanery azy tamin'izany finoany izany fa nampiseho azy izay inoany ary niandry hatrany ny mety ho fibebahany. Nandritra ny fahatanorany i Augustin dia nikaroka, toy ny filozofa rehetra ihany, ny fahamarinana. Nandalina filozofia, nampianatra tao Roma sy tao Milan. Ary tao Milan no nahatonga azy nibebaka rehefa namaky ilay teny ao amin'ny Baiboly (Rom. XIII 14) hoe "Ario ny asan'ny maizina fa mitafia ny mazava..." Herintaona taorian'io, tamin'ny taona 387 izy no natao batemy. Niverina tany Afrika izy nony avy eo (teny andalana dia maty tao Ostia ny reniny) ary nohamasinina pretra tamin'ny 391. Lasa Eveka tao Hippo tamin'ny taona 396 mandrapahafatiny tamin'ny 430. Koa nandritra ny naha Eveka azy no nanoratany ny boky Les Confessions.

Io boky Les Confessions io dia tsy toa ny karazana diary vetsovetson'ny fahiny fotsiny fa vavaka tanteraka. Hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany tokoa mantsy dia resaka amin'Andriamanitra no soratany ao, ary izay no tena maha confessions na fivalozana azy. Voatantarany ao avokoa ny dingam-piainana niainany na dia tamin'ny fotoana tsy naha kristianina azy aza saingy amin'ny fijery kristianina no itantarany azy.

Misy fizarana 13 ny boky. Koa raha liana te hamaky izany dia misy dika maromaro izay azo vakiana amin'ny internet.

Amin'ny teny Frantsay dia azo jerena eto

Amin'ny teny Anglisy dia azo jerena eto 

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry