« | »

Izay tsy miady olom-bodo

2006-11-28 @ 20:48 in Eritreritra mandalo

Ohabolana malagasy ny hoe "Izay tsy miady, olom-bodo fa ny to fo mamosavy". Fa mbola fomba fitenenana malagasy koa ny hoe "Manao vazaha mody miady". Ilay voalohany milaza hoe olona adala izay tsy miady fa ilay mitana an-dolom-po no tsy mety. Ilay faharoa kosa dia ny mifanohitra tanteraka amin'izay: rehefa miady dia miady fa tsy toa ny vazaha (hita amin'ny télé matetika... ohabolana vaovao io izany?) hoe milaza fa miady kanefa mifandray tanana ihany.
Eo amin'ny resaka politika anefa dia tena mirona tanteraka amin'ilay fitenenana voalohany ny Malagasy amin'izao fotoana izao. Rehefa ady dia ady... ary matetika dia tsy ny hevitra intsony no toherina fa ilay olona sy ny maha olona mihitsy. Zary fifamotehana sy fifandrafiana mihitsy no vokatry ny ady ara-politika. Loza ho anao raha voatery milaza ny hevitrao ianao satria tsy maintsy ho lasa rafin'ireo tsy mitovy hevitra taminao ianao. Ary tsy mba ho rafy tsotsotra fotsiny fa harodany izay natsanganao, holotoiny ny mombamomba anao... izany hoe ianao mihitsy no ezahina hopotehina. Ary raha ohatra indray ianao miezaka mihavana amin'ilay olona nifanohitra taminao dia voasoketa avy hatrany ho "Mpamadika palitao".

Akaiky fifidianana mantsy amin'izao fotoana izao, mafana ny fampielezan-kevitra. Dia efa tsy mifampiditra antrano sy mifampiahiahy sahady ny mpomba an-dRanona sy Ranona. Sarotra ny mody alina mandeha irery misalotra ny lokon'ny kandida tohanana... eny an-kianja miaraka amin'ny daholobe ihany no tsy matahotra manao an'ireny. Tanora mpiara-milalao manjary misy hoe izay Ravalo aty, izay tsy Ravalo ary... Mifangaro tanteraka amin'ilay hevitra tohanana ny mombamomba ny tsirairay. Izay olona rehetra miteny hoe manohana an-dRavalo, manjary voalaza fa "nisotro ny rononony"... ary ireo izay tsy manohana an-dRavalo dia sokajiana ho ex-Arema ihany.

Soa ihany fa mbola roapolo andro aorian'ny fifidianana ny krismasy, mety ho hadino tsikelikely ny disadisan'ny propagandy. Raha tsy izany angamba dia hisy mpiandry ondrin-dRavalo sy mpiandry ondrin-dRatsirahonana

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry