« | »

Adolantsento

2006-11-22 @ 23:18 in Blaogy Dev

Misy namako anakiray izay mikarakara mafy fananganana Gazety ho an'ny tanora mpianatra sy mpampianatra any Toliara. Miainga tanteraka amin'izay kely ananany izy kanefa hitako fa matotra ny ezaka. Araka ny nolazainy ahy androany ary dia amin'ny voalohandohan'ny desambra io no hamoahana ny gazety.

Adolantsento no anaran'ny Gazety. Natao indrindra mba hifandraisana amin'ny mpianatra sy ny mpampianatra any amin'ny faritr'i Toliara iny. Efa nanomboka ny fifampiresahana isaky ny sekoly ary efa maro no vonona handray ny laharana voalohany. Hiezaka hanome torohevitra ny mpampianatra indrindra koa ny Adolantsento izay iaraha-miasa indrindra amin'ireo mpampianatra vitsivitsy mba efa manana traik'efa. Hamoahan'ireo mpampianatra ny hetahetany sy ny olana manjo azy eo amin'ny fanabeazana.

Tahaka ny tetikasa rehetra dia hila fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana ny Adolantsento. Amin'izao aloha dia mbola olona vitsivitsy no miantoka izany kanefa antenaina fa hitombo izany rehefa mba hita ny fivoaran'ny tetikasa.

Ho avy tsy ho ela ihany koa ny takelaka internet-n'ny Adolantsento.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry