Ny "Jesoa" dia DIEM fa tsy Katolika

2007-08-02 @ 13:10 in Eritreritra mandalo

Mamita ilay takelaka baiboly aho amin'izao fotoana izao (isaorana be dia be i belle nanome sy nanitsy ny andininy manontolo). Dia hitako ao fa "Jeso" no fanoratra ny anaran'i Jesoa ao anatin'io baiboly io. Amin'ny boky fivavahana tranainy indray dia "Iezo" no fampiasa.

Ny "Jesoa" kosa  dia ao amin'ny Testamenta Vaovao DIEM no ahitana azy ary napetraka tamin'ny Baiboly Katolika natonta taty aoriana sy ny Boky fihirana sy fivavahana vaovao. Ny tiana holazaina eto dia tsy fampiasan'ny Katolika hatramin'izay io "Jesoa" io. Fa noho ny fironan'ny Katolika hanaraka ny DIEM dia nanjary nampiasaina ary raiki-tapisaka ny "Jesoa". Hita fa efa manaraka izany tsikelikely koa ny fiangonana hafa. Ary ny hirariana dia mba ho toa ny fiteny hafa, toa ny frantsay sy ny anglisy sns hoe teny iray ihany no iantsoana an'i Jesoa na inona fiangonana na inona fiangonana.

Zavatra madinika kanefa ahatarafana zavatra. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry