« | »

Nandresy ny antoko havanana?

2008-04-16 @ 06:04 in Eritreritra mandalo

Vao tapabolana fotsiny aho no tsy teto Italia dia navelandry zareo  handresy ny antoko havanana tssss. :-)

Tonga aty amin'ny filan-dravin'ahitra indray izany rehefa nivezivezy tany Madagasikara tany nandritra ny tapabolana be izao (sady mizesta ihany). Nosy be, Mahajanga, Antananarivo, Arivonimamo, Antsirabe no toerana hita. Ialana tsiny Toamasina sy ny mponiny fa tsy ampy ny fotoana :-)

Fa iverenana ity resaka antoko havanana ity. Ny fihetsem-pon'ny olona amin'izao fandresen'ny havanana izao dia mitovy amin'ny fihetsem-pon'ny Frantsay tamin'ny nandresen'i Sarkozy. Efa fantampatatra ihany hoe handresy ry zalahy satria tsinona nihongana ny antoko ankavia, saingy nisy ihany ireo niezaka nanantena. 

Ny tena tahotra dia hoe ho rava daholo indray ve ny fanantenana kely nitsilopy tamin'ireo vahiny tsy manana na vao manamboatra taratasy? Ny antoko havia mantsy teo dia nanome fahafahana be dia be mba haha-ara-dalàna ireny olona ireny. "Eo isika mahita izy" hoy ry zareo any Nosy be izay.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry