Hetsika hanampiana ny any atsimo

2021-07-01 @ 20:47 in Eritreritra mandalo

Nampihetsi-po ny takarivanay omaly. Takarivam-piraisan-kina, takarivam-pifanampiana. Raha mifanasa vangy ny andaniny sy ankilany mikasika ny namoahan'ilay mpanao gazety Gaelle Borgia ny zava-misy any atsimo mikasika ny kere, nefa ny olona miha matin'ny hanohanana ihany, dia nisy kosa taty aminay ny takariva fiaraha-mientana ho an'ireo iharan'ny kere ireo indrindra. Amin'izao hamehana amin'ny hanoanana vokatry ny haintany any atsimo izao tokoa mantsy dia nanana hevitra ny handefa izay voatsirambin'ny tanana sy voaangona avy amin'ireo malala-tanana ny mompera sy masera malagasy vitsivitsy aty aminay. Takariva tsotsotra nefa natao am-pitiavana nanehoana hira sy dihy ka nahavoriana olona maromaro ihany.

Horonantsary iray mampiseho ny zava-misy any atsimon'i Madagasikara no nisantarana azy, horonantsary novokarin'i Gaelle Borgia indrindra. Nampihetsi-po ny maro, izay tsy dia mbola tena nahalala ny zava-mitranga any amin'ireo toerana isian'ny hain-tany, ilay horonantsary. Hitao eo amin'ny tambazotra tokoa fa betsaka ny manome tsiny an'ilay mpanao gazety mikasika iny fanadihadiana nataony iny, hatrany amin'ireo mpitondra fanjakana aza. Tongo-bakivaky tokoa izy iny, sady maharary no mahamenatra, kanefa zava-misy iainan'ny olona any an-toerana. Tsy ny henatra sy ny hambom-po mihitsy hanaronana ny zava-misy, indrindra raha izay no anisan'ny fomba hitadiavana vahaolana. Hoy ny fiteny malagasy hoe "Ny olon-kandrandrana tsy hanafenana loha sola". Izany hoe tsy ny olona hanome vahaolana ho anao no hanafenanao ny olana misy. Sady na hafenina tahaka ny inona ara io dia tsy maintsy hiseho ihany. Izay koa mantsy ilay lazain'ny Ntaolo hoe manafin-tay an-tsalaka. Koa aleo ho vaky ny vay hitsaboana azy.Ny irariana dia hisy maromaro ireo hetsika ataon'ireo Malagasy na ao an-toerana na aty ivelany hitadiavana vahaolana hanampiana ireo mpiray tanindrazana aminy. Vahaolana vonjy maika fohy ezaka aloha, ary koa ny fandraisana andraikitry ny fanjakana amin'ny vahaolana lavitr'ezaka.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry