« | »

Tsy hifamela?

2007-05-04 @ 15:44 in Eritreritra mandalo

Misy zavatra toa izao eto Roma eto amin'izao fotoana izao. Tamin'iny herinandro lasa iny, ny Zoma no marimarina kokoa, dia nisy ramatoa Italiana iray (23 taona izy fa efa mananjanaka dia ataoko hoe tanora) izay toa hoe nifamaly tamina Roumaines roa 20 taona sy 17 taona (ie, aty koa ry zareo) tao anaty Metro. Dia nony raikitra ny fifamaliana dia notsindromin'ilay Roumaine lehibe tamin'ny elo ny mason'ilay Italiana. Voakasika ny tao amin'ny lohany ka na dia nentina teny amin'ny hopitaly aza dia tsy avotra intsony fa maty.
Tratra moa izy roavavy vokatry ny sary azo tamin'ny fakantsary isaky ny Metro. Dia niteraka resa-be teto Italia ilay izy ary toa ny mahazatra, resaka azon'ny Italiana ve moa, ny valala misy moa ny mpilaza koa betsaka. Be ny nanameloka azy roa vavy, ary ny anamelohana azy indrindra dia hoe "Homicide volontaire"... na hoe fanahiniana. Iny tsy dia asiako resaka loatra satria rehefa nahafaty olona tokoa aloha ho sarotra ihany ny hivoahanao eo imason'ny lalàna.

Fa ny somary nikitika ny foko dia ilay resaka fifamelana. Nandritra ny famororana azy roavavy izay nifanojo indrindra tamin'ny fotoana nandevenana an'i Vanessa (izay no anaran'ilay nody mandry) dia nangataka famelana avy amin'ny fianakaviana sy izay rehetra voatohintohina ry zareo... satria tsy tao anatin'izay nokasainy mihitsy ilay hamono hahafaty. Iretsy ilany kosa anefa na dia nandritra ny toriteny tao ampiangonana aza, izay nilazan'ny pretra hoe ilaina ny famelan-keloka sy ny hoe an'Andriamanitra ihany ny famaliana, dia niantsoantso hoe "Maiii..." (izany hoe "[..tsy hamela heloka] na oviana na oviana).

Ekeko, eo ny alahelo sy ny hatezerana... ary eo indrindra ny maha olombelona. Nefa inoako fa mifangaro amin'ny maha mpivahiny an'ireto olona ireto no tena anton'izao tsy famelana izao. Tsy voalohany no misy vono olona eto Italie (hita foana satria isaky ny misy dia malaza be) ary matetika dia antsointsoina ilay famelan-keloka, lazaina hoe tsy hampiverina izay maty ny lolom-po. Fa tamin'ity indray mitoraka ity dia toa nomena rariny izay tsy te hamela heloka... satria tsy Italiana ny olo-meloka.

Atao ahoana... tsy hifanerena koa ny fifamelana. 

 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry