« | »

Fako: ento any an-trano

2007-10-24 @ 12:50 in Eritreritra mandalo

Eto Antananarivo. Nitady aho fa tsy nahita fanariam-pako eny an-dalana eny. Raha sendra misy zavatra hariana eny an-tànanao ka manontany ianao hoe aiza no hariana ity... dia hoy ny olona hoe ento any an-trano.

Koa amin'io herinandro ambony io aho dia haka video toerana vitsivitsy en continu hahitana hoe firy metatra (na kilometatra) tsy misy fanariam-pako. Ny toerana halaiko dia Manodidina ny kianjan'i Mahamasina. Manaraka ny lalan'Anosibe ary manaraka ny avenue de l'indépendance. Raha ohatra moa ka efa misy fanariam-pako eny dia vita izany ny asa... tsy nisy mantsy tamin'izaho nitady.

Sarotra ihany ny hiteny ny olona hoe hajao ny fahadiovana raha tsy omena azy ireo ny fitaovana hanatanterahany an'izany.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry