Gidragidran'ny "A la seconde"

2007-10-22 @ 09:20 in Eritreritra mandalo

Betsaka ny zavatra azo tantaraina amin'ny fiainana eto Madagasikara eto fa ny fotoana no tsy misy ka izay sendra manaitaitra no soratana. Zavatra anakiray mahatsikaiky ahy ilay resaka hoe "A la seconde"...

Adino any Italie mantsy ny finday dia voatery nividy an'izay faran'ny mora indrindra taty. Misy mora hafa angamba fa tsy hitako fa ny novidiana dia ireny Nokia 1110 ireny (tsy mahamenatra :-)), 80.000 ariary no vidiny. Mbola resa-be koa io resaka ariary io. Dia noezahina natao an'izany "A la seconde" izany fa izany hono no mora ny fifandraisana... dia tena mora tokoa. Ari-fito isa-tsegondra no lany... fa dia ny segondra tokoa no kaotiana.

Rehefa miantso izany ny olon'ny "A la seconde" dia tsy mahazo miarahaba,  5 segondra mantsy izay. Indraindray tsy afaka mamaly akory dia efa manapaka ilay andaniny. Teny kely monja dia mahalaza zavatra be dia be. Ifaninanana mihitsy ny miteny ao anatin'ny fotoana fohy indrindra.

Ity ohatra misy karazan-dresaka mety ho vita ao anatin'ny 15 segondra, tsy avela mamaly ny ankilany : "Eto analakely aho, alohan'ny Pizza Gastro, bipeo raha afaka tonga aty." dia tonga dia tapaka... Anjaranao sisa ny mi-bip raha afaka, ary tsy mi-bip raha tsy afaka. Raha mila fanazavana fanampiny moa dia tsy maintsy anjaranao no miantso :-)

Dia toa izany ny karazam-piainana iainana. Pi-maso kely ho an'ireo mpiantso ahy sy antsoiko mandritra ny minitra maro tany Italie ka mamaky ity lahatsoratra ity. Mampamangy any e. :-)

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry