Ny momba an'i P. Sylvain Urfer

2007-05-15 @ 14:04 in Eritreritra mandalo

Noroahin'ny fanjakana hiala tao Madagasikara tamin'ny faran'ny herinandro lasa iny ny P. Sylvain Urfer sj. Efa talata izao kanefa sady tsy misy filazana ny antony avy amin'ny fanjakana no tsy misy fanoherana mivantana avy tamin'i P. Urfer na dia efa any andafy aza izy. Izao fahanginan'ny roa tonta izao dia midika zavatra goavana izay azo fintinina hoe izay mangina volamena.
Fa iza tokoa ity P. Sylvain Urfer ity? Tsy mahalala azy manokana aho fa efa henoko ny lazany. Indroa aho no nanatrika ny conférence nataony (tamin'ny anaran'ny Foi et Justice) teny Ambatoroka nandritra ny séminaire interdisciplinaire. Mbola tamin'ny andron'i Zafy izany (1995 tany ho any). Tsy mitsitsy izy rehefa miteny... ary nahafinaritra ahy ny fivatravatrany. Betsaka kosa anefa ny tohina amin'izay mandre ny lazainy. Pessimiste tanteraka amin'ny zavatra rehetra mitranga izy. Tsy misy mihitsy zavatra mba vita tsara ka nankasitrahany nandritra ny teny nolazainy. Nisy frera namanay moa niasa eny Anosibe isaky ny asabotsy hariva (angamba izy izay), dia mahalala kely an'i P. Urfer dia nohamafisiny fa izany tokoa no toetra mampiavaka an'i P. Urfer. Nalaza koa izy teny amin'ny Paroasiny teny Anosibe amin'ny toriteny manindrotsindrona - izay heverin'izay voatsindrona ho toa ny fanambaniana sy fanevatevana. Izany anefa no toa nitiavan'ny Kristianina azy taty aoriana. Nisy fitsipika hafakely hono tao Anosibe tao nandritra ny nisian'i P. Urfer. Tsy ekeny ny fitabatabana am-piangonana. Asainy mivoaka raha toa ka manao akanjo tsy maotina ny tovovavy. Andehanany eny ampitoerana mihitsy ary entiny mivoaka. sns.

Betsaka ny nahazo soa tamin'izany toetrany izany kanefa nisy ihany koa ireo tsy nahatanty. Ary inoako fa zavatra maro nitambatambatra avy amin'ireo izay tsy nahatanty ireo no nahatonga izao fandroahana azy hody izao. Raha ny fahafantarako an'i P. Urfer dia tsy maintsy hiteny izy raha tsapany fa tsy rariny izao nandroahana azy hiala tao Madagasikara izao. Mety hiandry fotoana ela anefa izany... koa aleo ny tantara no hitsara.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry