« | »

Ny ratsy sy ny sitrapon'Andriamanitra

2006-10-07 @ 10:00 in Eritreritra mandalo

Resaka lavabe nifanaovanay ary tiako hotehirizina ato amin'ity blaogy ity, mety hahasoa na tsy hahasoa ny hafa, araka ny fandraisana azy ihany. Ny niatombohan'ny resaka dia hoe: iny no lalana nomen'Andriamanitra azy, làlana niantsoan'Andriamanitra azy. "Andriamanitra no mandahatra"...

Andriamanitra Mpandahatra?
Ny zavatra tonga ao antsaina voalohany rehefa maheno voina iray dia hoe "lahatr'Andriamanitra izao". Misy tokoa mantsy zavatra izay tsy fantatra mazava ny antony, olona maty tanora tampoka, fijaliana manjo fianakaviana iray, loza voa-janahary... dia ny fampiononana azy ireny dia hoe izay no sitrapon'Andriamanitra. Fa tena sitrapon'Andriamanitra tokoa ve izany? Sitrapon'Andriamanitra ve ny mahita ny zanany marary mafy sy mijaly noho ny fahoriana? Sitrapon'Andriamanitra ve no mahita olona 3000 indray maty tamin'ny 11 septambra? Dia "voasoratra tao anatin'ny bokin'Andriamanitra ve" hoe i John ho faty amin'iny andro iny fa i Jack mbola tsy ho faty?
Ny azo hamaliana azy voalohany angamba dia eo amin'ny ezaka fahafantarana an'Andriamanitra. Nolazainy, tamin'ny alalan'ny fanambaràny hatramin'izay sy tamin'ny asany, fa Andriamanitra dia Fitiavana. Ary tsy vitan'ny hoe Fitiavana fotsiny fa Fitiavana mandrakizay izany hoe tsy hita pesimpesenina ny hatsarany. Koa mifanohitra avy hatrany amin'Andriamanitra ny haratsiana... ary tsy ho sitrapon'Andriamanitra mihitsy ny ratsy. Ny zavatra hita anefa dia be dia be ny zavatra (ratsy) mitranga... dia tsy avy amin'Andriamanitra ve ireny? Tsy mandahatra ve izany Andriamanitra? Mandahatra izy kah. Tahaka antsika dia manana ny eritreriny sy ny vinavinany ihany koa izy. Ary ny vinavinany sy ny fandaharany dia voafonon'io maha Fitiavana azy io hatrany. Izany hoe isaky ny maminavina Andriamanitra dia zavatra tsara no vinavinainy, ary isaky ny miasa Andriamanitra dia asa tsara no ataony (cf. Gen. 1 - 2). Koa tsy avy amin'Andriamanitra izany ny ratsy. Ny atao hoe faharatsiana eto dia tsy izay ratsy eo amin'ny vokany fotsiny (mal dans l'effet) fa na dia eo amin'ny antony aza (mal dans la cause). Izany hoe ratsy ihany koa raha toa  ka zavatra tsara nivoaka avy tamin'ny zavatra ratsy. Io farany io dia mahafoaka ilay resaka hoe fikapohana sy fanasaziana (cf. Joba)
Ny hamaliana azy faharoa dia eo amin'ny ezaka fahafantarana ny olombelona. Ny olombelona dia nomen'Andriamanitra ny fahefana rehetra ("Andao isika hanao olona mitovy endrika amintsika"... ary efa niezaka ny hihoatra izany fahefana nomena azy izany ("Hitovy amin'Andriamanitra ianareo raha mihinana ny voan'ny hazo". Fitiavan'Andriamanitra koa izany na dia hitany aza fa tsy voafehin'ny olombelona ny fahefana nomena azy. Ao anatin'ny fahefana (capacité nomena ny olombelona ny fahafahana. Ka na dia manana ny fandaharany aza Andriamanitra dia navelany higoka tanteraka amin'io fahafahana io ny olombelona. Dia eo no mitranga ny faharatsiana. Tsy vokatry ny asa nataon'Andriamanitra izany ny faharatsiana fa vokatry ny tsy fahaizan'ny olombelona mandamina ny fahefany. Ka ireo ratsy rehetra izay mitranga etsy sy eroa dia mifandray amin'io fahafahana nomena ny olombelona io avokoa.

Tsy pelagianism ve izany?
I Pelagius (354-440) dia niteny hoe tompon'andraikitra tanteraka amin'ny tsara sy ny ratsy vitany ny olombelona noho izany tompon'andraikitra tanteraka amin'ny Famonjena sy ny Fahaverezana azony. Ho an'i Pelagius izany dia tsy nilaina akory ny fisian'ny atao hoe fahotana tamin'ny fototra. Ny fahafahan'ny olombelona raha jerena amin'io lafiny io dia pelagianism tokoa. Saingy ny fahafahan'ny olombelona lazaina etsy ambony dia fahafahana eo ambanin'ny fiahian'Andriamanitra. Andriamanitra dia manolotra ny sitrapony hotanterahina sy ny ratsy hialàna... fa ny olombelona kosa, noho ny fahafahany, dia misafidy izay hitany fa mety aminy. Io dia mety tsy hifanaraka akory amin'ilay sitrapon'Andriamanitra etsy ambony. Raha tokony hoe L'homme propose et Dieu dispose izany dia lasa hoe Dieu propose (le bien) et l'homme (dans sa liberté choisit. Izay indrindra no nanoheran'i St. Augustin ny pélagianism ka nilazany fa ny lahatr'Andriamanitra ho an'ny olona rehetra dia ny mba hiaina ao anatin'ny fahasoavany. Tsy misy izany ny voasoratra manokana ny ho ratsy na voafidy manokana ny ho tsara... nofidiany ho tsara daholo ny olombelona fa vokatry ny safidin'ny olombelona no nahatsara sy naharatsy ny fiafarany.

Inona ny sitrapon'Andriamanitra?
Ny tena olana matetika dia ny tsy fifanandrifian'ny sitrapontsika amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Ka vetivety ery ilay fitenenana hoe "Izay no sitrapon'Andriamanitra". Tena azo antoka ve fa sitrapon'Andriamanitra ilay mitranga amin'izay fotoana izay? Sa tonga dia tsorina fotsiny hoe matoa tanteraka dia sitrapon'Andriamanitra? Sao dia fanamelohana an'Andriamanitra io filazana io? Sao dia mba ny olombelona no tompon'Andraikitra nefa Andriamanitra no ampidirina? Tsy tahaka ny manendrikendrika an'Andriamanitra ve izany?
Diso fangataka mantsy isika matetika. Indraindray tsy mifanaraka amin'ny sitrapony akory fa vokatry ny fangatahantsika ary tsy hitany izay maharatsy azy dia manampy antsika amin'izany koa izy. Tahaka ny zazakely ihany isika. Misy ny ankizy mangataka mafy ny hividianan'ny ray aman-dreniny bisikleta kely. Rehefa vidiana iny dia milalao izy... dia rehefa elaela dia mety hangataka ny mifanohitra tanteraka amin'iny indray ilay ankizy, baolina ohatra. Toa izany koa, matetika dia ny sitrapontsika no avelan'Andriamanitra ho tanteraka.
Koa raha tena maniry ny ho ao anaty sitrapon'Andriamanitra marina dia tokony mangataka ilay sitrapon'Andriamanitra. Avela amin'izay Andriamanitra no hampiseho ny sitrapony. Ny olona iray izay mangataka amin'Andriamanitra ny làlana tokony halehany dia tsy mitovy amin'ny olona izay mangataka amin'Andriamanitra handeha amin'izay lalana heveriny fa tian'Andriamanitra halehany.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry