Saint Valentin hono

2013-02-14 @ 12:50 in Eritreritra mandalo


Tsaroako hoe efa imbetsaka ihany aho no nandalo St Valentin, raha hoe misy isan-taona, nisy ny nankalazaina kely, misy ny adino, misy ny niniana tsy ankalazaina mihitsy. Androany aho dia tsy hankalaza manokana nefa koa tsy hanadino. Hiezaka handalina hoe maninona no nasiana St Valentin? 

Tsy mbola tsaroako aloha hoe nankalaza izany St Valentin izany i Papa sy Mama tao an-trano, efa ho 40 taona nivadiana izy izao. Tsy dia nifanome fanomezana manokana ihany koa satria ny iray mikarama moa ny iray mitantana ny vola. Ny fanomezana fanao matetika rehefa misy fety lehibe dia ho an'ny tokantrano. Koa satria i Mama no mpitantam-bola ao antrano dia izy no mahita izay zavatra ilain'ny rehetra, hatramin'ny an'i Papa izany. Tsy dia nilaina tao an-trano izany ny St Valentin sady tsy hay hoe ahoana no atao, samy omena ampaham-bola dia samy mividy miafina dia samy manolotra? Tsy nety e. Hany ka tsy dia nahalala izany St Valentin izany izahay raha tsy taty aoriana. Saingy na izany na tsy izany dia nirindra tsara ny tokantrano.

Ny tena nametrahana ny St Valentin angamba dia satria miha marefo eo amin'ny ara-pitiavana ny olombelona. Mafana amboalohany toy ny afo-mololo ny fifankatiavana matetika ka mila amoronana zavatra maro mba hitehirizana azy. Tsy ampy intsony ny zava-miseho ara-boajanahary, toy ny fifanintonana voajanahary eo amin'ny lahy sy ny avy, ny fisian'ny zanaka mampiray ny fianakaviana sns. Ny St. Valentin no fotoana hamelombelomana indray ilay fitiavana... izay mila fahanana isan-taona farafaharatsiny. 

Fa ny St. Valentin koa, ary izay no anisan'ny tsy hankalazako azy amin'izao fotoanan'ny krizy izao, dia lasa famelombelomana ny tsena sy ny varotra. Vanim-potoanan'ny krizy sy tsy misy tsena mihitsy ny volana febroary satria antenantenan-taona, ka rehefa misy St. Valentin dia mba miavotra kely. Matetika tsisy resaka fitiavana intsony fa lasa fifaninanana sy varotra sisa.

Na izany na tsy izany, ho an'ireo izay mankalaza St Valentin dia araraoty mba ho tsipindy handrosoana izany fotoana izany. Ho fotoana fandinihana ny fitiavana sy ny fifankatiavana ka tsy ho verin'ny zavatra ivelany fotsiny. Ary fitaovana iray andro ao anatin'ny 365 ny St Valentin ka tsy ampy mihitsy hiainana ny fitiavana. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry