« | »

Kilalao lany manja

2014-04-01 @ 12:57 in Eritreritra mandalo

Hitako hoe tsy dia namely intsony ny andron'ny lainga, na ny trondron'ny aprily, tamin'ity taona 2014 ity. Miha lefy tsikelikely hatrany ilay izy satria vao 31 marsa ny olona dia efa miomana ary tsy misy manadino firy tahaka ny taloha intsony. Efa mahita internet daholo ihany koa ny ankamaroan'ny olona ka tsy misy voafitapitaka intsony. Ny manome vaovao rahateo moa dia vaovao tonga dia tsy mampino na vaovao hita hoe marivo tototra hehezin'ny akoho tokan'anaka no alefany. Tsy trondro intsony fa tsiboboka e :-)

tsiboboka - Trondro tsy trondro
Tsiboboka: sahona fa tsy trondro

Ny taloha

Izany trondron'ny aprily izany anie ry zareo taloha tena tsy fantatra mihitsy raha tsy efa ny ampitso e, na dia hoe amin'ny 12 atoandro aza no mifarana ilay lalao. Marihina aloha fa lalao hatrany no nanaovana azy. Ny tena hitako nahery indrindra dia indray fialantsasatry ny Paska, ny nanaovan'i zandrinay tamin'izy mbola kely (tena mbola kely, angamba 5 na 6 taona) an'i bebenay, tao anatin'ny fahatsorana tanteraka, ka nilazany hoe maty i dadabenay. Izany hoe tsy ny vadin'i bebenay fa dadabe avy any amin'i ankilany fa dia nalahelo kely sy latsa-dranomaso mihitsy ilay bebe. Izy mianaka irery moa no tao antrano ka mba nitantara vaovao izany ity zaza dia izany no vaovao nolazainy. Nony tonga ny lehibe ny hariva dia nanontany i bebe hoe fa inona ity vaovao tsy mba nolazainareo ahy ity. Dia izay ny rehetra vao tonga nilaza hoe laingany izany. 

Soso-kevitra

Koa rehefa tsy dia mandaitra intsony ny lainga mandritra ny 1 aprily, maninona raha mitady zavatra hafa indray? Ohatra hoe milaza zavatra izay tena tsy mampino mihitsy, na koa zavatra heverina avy hatrany fa hoe lainga, nefa tena misy? Ka hamafisina ny 2 aprily hoe tsy lainga anie iny nolazaiko iny. Rehefa misy "surprise" tianao hatao na holazaina amin'olona dia ny 1 aprily maraina no lazaina aminy. Amin'izy ilay tsy mino iny mihitsy. Dia hamafisina ny ampitso. Ho faly ilay olon hoe hay ve ka tsy trondro ilay izy. Hiverina hisy tsirony indray ny lalao amin'izay fotoana izay.

 

 

Tsarà...

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry