« | »

Loharano Katolika

2007-09-17 @ 12:07 in Eritreritra mandalo

 Betsaka ireo foto-pinoan'ny Fiangonana Katolika (Doctrines) no sarotra azo hany ka tsy hain'ny Katolika sasany akory ny manazava azy amin'ireo izay manontany izany. Ekena fa tsy ilàna fanazavana lalina izany, ary tsy voatery koa ny Katolika hanazava izany amin'ireo izay fantatra avy hatrany fa tsy hihaino akory ny voalaza. Na izany aza dia mahafaly ahy ihany ny manolotra anareo ireo toerana fanovozako hevitra. Takelaka vitsivitsy manazava bebe kokoa ireo zavatra tsy mazava momba ny finoana katolika.

Miala tsiny sahady fa amin'ny teny Anglisy izy ireto fa hiezaka koa aho ny hampiditra tsikelikely ao amin'ny katolika.org ny hevi-dehibe amin'ny teny malagasy.  

Catholic Culture : http://www.catholicculture.org/
Toerana ahitana lahatsoratra anjatony maro izay manadihady momba ireo lohahevi-dehibe momba ny finoana sy ny Fiangonana

Catholic Encyclopedia : http://www.newadvent.org/cathen/index.html
Toerana misy ny famoaboasana ireo teny manan-danja fampiasa matetika ao amin'ny Fiangonana Katolika. Ity Encyclopedia ity dia ilay dika nivoaka tamin'ny 1917.

The Nazareth Resource Library : http://www.cin.org/users/james/index.htm
Toerana misy fanadihadiana vitsivitsy hitako hoe vita tsara. Azo vakiana sy hakana lesona.

Catholic Answer : http://www.catholic.com/library.asp
Izay ahitana lohahevitra maro mikasika ny finoana sy ny Fiangonana ihany koa.

Tandremo: Ny tanjona dia ny mampahafantatra fotsiny ny finoana fa tsy misarika n'iza n'iza hiditra amin'ny finoanao.. na mitsikera ny finoan'ny hafa.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry