« | »

Chapelle Militaire Ste. Croix

2007-09-16 @ 07:52 in Tsiaro

Fankalazana ny fetin'ny Chapelle Ste. Croix tamin'ny Zoma teo fa androany no tena anaovana ny fetim-piangonana. Ny Chapelle Militaire Ste Croix dia chapelle misy ny Aumônerie Militaire teny Ampahibe, izany hoe natao ho an'ny miaramila. Tao no fiangonanay amin'ny maha-zanaka miaramila anay. Ny mampiavaka an'io fiangonana io dia sady an'ny Katolika no an'ny Protestanta... satria misy Protestanta koa ny miaramila :-)

Tadidididiko ihany ny tantara nitsanganan'io Chapelle io fa mba tsy handaingana dia aleo tsy apetraka eto. Ny azoko antoka fotsiny dia izay hitako. Ny Fiangonana Katolika no tena nanangana ny Chapelle ary tsy noeritreretina tamin'izany fotoana izany hoe hisy Protestanta hivavaka koa rehefa any aoriana. Napetraka teo amin'ny varavarana noho izany hoe "Chapelle Militaire Ste Croix". Ny lakroa koa dia misy sarin'i Jesoa mifantsika, izay tsy hita loatra amin'ny fomba protestanta. Taty aoriana dia nangataka ny hivavaka ao koa ny Protestanta. Ary nony taty aoriandriana dia nisy nanendaka ilay hoe "Ste Croix" teo amin'ilay soratra eo amin'ny varavarana. Soa ihany tsy nisy nanendaka ilay sarin'i Jesoa Kristy mifantsika. Taorian'izay dia nozarina hiara-miaina amin'ny Protestanta izahay. Miditra amin'ny 8h ny katolika dia miditra amin'ny 10.30 indray ny protestanta. Toa izany foana isan'alahady. Ny fotoana amin'ny alina toy ny Noely sy ny herinandro masin'ny Paka, dia ifanarahana am-boalohany hoe iza no hanomboka ary atao amin'ny firy. Tsy nisy olana intsony.

Mandritra ny lamesa dia fiangonana katolika tsara ilay chapelle, misy sarin'i M. Maria sns. Dia mandritra ny fotoanan'ny protestanta indray dia esorina daholo ireny ary lasa fiangonana protestanta tsara ilay chapelle.

Ny mpitarika ao amin'ny Fiangonana dia omena akanjo sy haja maha-manamboninahitra. Ny mompera sy pasitera mandalo ao izany dia lasa miaramila ary hajaina toy ny manamboninahitra. Ny tena hitako nandalo tao dia P. Benoit Tsangambelo sy P. Michel Ralibera. Ny Protestanta indray dia i Pasitera Jean Bart.

Dia fisaorana no atolotra ny kristianina sy ny mpiara-mivavaka rehetra tao amin'io Fiangonana io fa nahabe anaka...  

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry