« | »

Novonoiko Imioly

2007-09-13 @ 23:45 in Informatika

Misy mampiasa emule kalazalahy ao am-piasana dia mihitsoka daholo ny mpijery internet. Raha ny tokony ho izy dia azo ferana ny hafainganan'ny eMule mba hahafahan'ny rehetra samy mahazo ny anjarany. Androany ary dia nanapa-kevitra izahay hamono an'Imioly. Nosakanana tsy hahazo handeha intsony ny eMule mivoaka sy miditra ny tambazotra.

Vokany, mampamangy koa ny tombontsoa madinidinika azo avy tamin'Imioly (hum hum)... marihina fa azo hakàna zavatra ara-dalàna tsara Imioly fa tsy voatery ho piraty foana.

Raha mbola afaka maka an'Imioly ianao dia jereo ity rohy ity fa izahay efa nisaraka.

http://www.emule.com 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry