Soratra miteny

2006-06-14 @ 22:26 in Eritreritra mandalo

Amin'ny ankapobeny, rehefa mamaky taratasy avy any amin'ny olona akaiky, na pistily izany na avy amin'ny ray amandreny... dia tena ohatra ny hoe misy aina mihitsy ilay soratra. Tahaka ny hoe miteny aminao mihitsy ilay olona. Indrindra moa rehefa asiany soratra avy amin'ny feo (oh. "ha, ha, ha". Dia toa izany koa rehefa manoratra. Apetrakao ao anatin'ilay taratasy daholo ny fihetsem-ponao rehetra dia eritreretinao hoe hitan'ilay mamaky ny taratasy rehefa avy eo... ary dia mandaitra tokoa.

Vokatry ny traik'efa (hita @ radio sy télé ve sa dia fakàna sary antsaina fotsiny? Dia misy manararaotra an'io fihetseham-po io rehefa manoratra. Na dia tezitra be sy tena kivy aza no manoratra dia ezahina ho endrika mirana sy falifaly no tenenin'ny soratra... Dia mandaitra tokoa. Miteny an'izay zavatra tianao holazainy izany ilay soratra.

Ny nahatonga ahy nanoratra an'ity eritreritra ity dia noho ny fandinihana ny vokatry ny karajia mivantana (Chat) eo amin'ny olona iray. Rehefa mi-chat, na ianao irery aza no eo anoloan'ny ordi, dia tahaka ny hoe miaraka efitrano aminao ao ireo olona rehetra ao anatin'ilay chat (eh oui, room, efitrano no iantsoana ny toerana iraisan'ny mpi-chat). Dia tsy menatra akory ianao mihomehy (irery), misento, ary indraindray mety ho tezitra sy latsa-dranomaso... vokatr'izay zavatra soratan'ireo (na ilay) miresaka mivantana aminao. Ary io dia tsy miankina amin'izay tena fihetseham-po na fihetsik'ilay manoratra ao ambadika. Ny sorany fotsiny no miteny fa izy mety tsy araka izay zavatra soratany.

 

Sombintsary karajia serasera.org (Mampiasa Gaim)
Raha te handray anjara ao amin'ny karajia-n'ny serasera ianao dia midira ao amin'ny http://karajia.org

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry