« | »

Amanda Beard hono no Godaddy Girl

2007-10-12 @ 09:54 in Eritreritra mandalo

Tsetsatsetsa sendra mba tsy aritra fotsiny fa anisan'ny mba mpanaraka ireny "fifidianana vehivavy" ireny aho mantsy. Dia voalaza indray izao fa i Amanda Beard indray no nofidiani Godaddy ho Godaddy Girl.
Ny Godaddy Girl dia ilay vehivavy miseho voalohany eo amin'ny site-n'ny Godaddy, izay anisan'ny mpivarotra nom de domaine malaza indrindra. Raha mpividy nom de domaine ao amin'i Godaddy ianao izany (tahaka ahy) dia miverina imbetsaka ao amin'ny takelak'i Godaddy.com ary mahita azy matetika. Mazava ho azy fa fisintonana mpividy daholo izany.

Amanda BeardTsy fifidianana hatsaran-tarehy tahaka ny rehetra anefa no ataon'i Godaddy amin'izany. Ny vehivavy voafidy eo dia vehivavy manana ny lazany amin'ny fanatanjahan-tena daholo. Miditra ho mpanohana azy ireny izany Godaddy. 

Manomboka amin'ity taona ity izany dia i Amanda Beard indray no sary ho hita eo. Lomano no fanatanjahan-tena ataony. Mbola vao 14 taona izy dia efa nahazo medaly volafotsy tamin'ny lalao olimpika tany Atlanta tamin'ny taona 1996. Tamin'ny 2004 koa izy dia mbola nahazo medaly volamena tany Athènes. Mitazona zava-bita tsara indrindra (records) vitsivitsy izy. Marihina efa nandalo Playboy koa i Amanda Beard. 

Na izany na tsy izany, tsy afenina fa ny nanaitra ahy indrindra dia i Danica Patrick izay Godaddy Girl tamin'ny herintaona. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry