Voadonam-piainana

2007-07-31 @ 09:30 in Eritreritra mandalo

Resaka fivavahana. Ho an'izay Zezoita dia fety fahatsiarovana ny nahafatesan'i Ignace de Loyola, maty tamin'ny taona 1556, androany. Izy io no namorona ny fikambanan-dRelijiozy anisan'ny malaza lehibe indrindra. Na ireo tsy katolika aza ao Madagasikara dia mahalala ny lazan'ny sekoly tantanan'ny Zezoita toy ny St Michel ao Antananarivo, ny St. François Xavier ao Fianarantsoa sns.

Tsy fiderana ny Zezoita no tiako hatao eto... tsy mila izany rahateo ry zalahy ireo, fa eritreritra fohy nony avy namaky momba ny tantaran'i Ignace de Loyola. Averimberin'ny olona sasany mantsy matetika ilay hoe "voadonam-piainana" ny olona manao relijiozy. Dia hitako fa misy lafiny marina tokoa izany. Matetika dia "voadona mafy" mihitsy ny ankamaroan'ireo olomasina maro vao nandalo fibebahana. I Paoly izay mpanenjika an'i Kristy sy ny kristianina dia tsy nibebaka raha tsy "voadona". I Augustin izay mpanoratra sady Filozofa malaza dia "voadona" tamin'ny fiainana vao tonga saina nanatona an'Andriamanitra. Dia i Ignace de Loyola indray ity efa nanana ny fiainany, fa noho izy "voadona", naratra tany an'ady, vao tonga saina nibebaka.

Tsy tokony ho henatra noho izany ny filazana fa voadonan'ny fiainana ireo manaraka an'Andriamanitra. Mety fomba ataony hiantsoany olona hiara-miasa aminy koa ireny. Ny loza dia ireo efa voadonam-piainana kanefa tsy mahalala ny dikany.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry