« | »

Ravalomanana or not Ravalomanana... that's the question

2006-09-29 @ 13:31 in Eritreritra mandalo

Ny fifidianana ao Madagasikara dia tsy mba tahaka ny an'ny firenena hafa hoe misy maromaro ny favoris. Marina fa misy mpifanandrina maro, samy malaza... fa tsy mbola nisy mihitsy hoe tsy nandray anjara amin'ny fifidianana ny mpitondra... tahaka izay miseho any Etazonia rehefa lany ny mandat-n'ny filoha amperinasa, na ny ao Frantsa amin'izao fotoana izao - Tsy kaotiana eto ny tamin'ny andron'ny tetezamitan-dRatsirahonana. Noho izany tsy maintsy hoe ny filoha amperinasa no mifaninana amin'izay kandidà iray tafita indrindra.Mihena izany ny pronostika amin'izao fotoana izao. Raha hisy ny deuxième tour dia Ravalo sy iza no hifaninana. Ka ny fanontaniana mipetraka dia hoe haka an-dRavalomanana sa tsy haka an-dRavalomanana?

Mba hahafahana mamaly an'io fanontaniana io na dia tsy mijery ny ankilany aza, izany hoe tsy mahalala akory izay hifaninana amin-dRavalomanana, dia manao karazana jery todika fotsiny. Miainga amin'ny hoe inona no propagandy nataon-dRavalo ary inona ny vitany. Tsy tokony hiteny hoe be ny mpisompatra dia nisy tsy vitany... satria nandritra ny propagandy izy dia efa tokony ho voalanjalanjany hoe ho be ny mpisompatra.

Ny lalana aloha no tena nahafapo ny olona. Toa misy làlana daholo hono na any amin'ireo toerana tsy tra-dalana taloha aza. Ny henoko sy tena nampiaiky ahy aloha dia Ihorombe... izay toerana tsy nety vita làlana mihitsy nandritra ny taona maromaro. Mila jerena koa anefa hoe tombontsoa ho an'iza ny làlana namboarina. Toa hoe izay toerana nahafahana namoaka ronono sy omby matavy aloha no tena namboarina ny làlana. Ireo toerana izay tsy maintsy hifaneraseran'ny camions-n'ny Tiko. Afaka nahazo tombony tamin'izany daholo anefa ny rehetra.

Ankoatra an'izay, nanahoana ny vidim-piainana? Toa vao mainka niha-nahantra hatrany ny Malagasy. Nilaza ve i Ravalomanana hoe hampitombo ny fahefa-mividin'ny Malagasy? Raha nilaza izy dia hoe amin'ny fomba ahoana? Dia inona no efa nataony mikasika izany? Azo ijerena ny zavatra nataon-dRavalo ihany koa io. Tsotra ny kajy rehefa avy eo, raha nahavita azy dia tohizana... raha tsy nahavita azy dia soloina. Toa izany koa ny tokony hijerena ny lafiny fandriam-pahalemana sns. Tsy misy resaka sentiment io fa izay tsy mahavita dia miala ary raha nahavita dia mendrika ny hotohanana.

Farany, henoko ny resaky ny tanora mpanohana an-dRavalo hoe tsy ampy ny dimy taona fa aleo tohizana. Tsy ekeko izany. Ravalo dia tsy tokony hotsaraina amin'izay zavatra mbola hataony... fa amin'ireo zavatra efa vitany. Dimy taona ny mandat, tsy mahavita azy izy raha mangataka dimy taona hanohizana ny zavatra tsy vitany teo aloha. Fa angaha Ravalo tsy nanao calcul hoe ataoko aloha izay mahafapo ny vahoaka ao anatin'ny dimy taona. Sa natao aloha izay hanomezana fahafahampo ny tena sy ny manodidina, dia ny dimy taona manaraka vao atolotra ho an'ny Malagasy? Ny dimy taona manaraka na dia mbola Ravalo ihany aza no ho lany ohatra dia tokony efa tetikasa vaovao indray no entina. Mety hoe tsy làlana indray no imasohana. Fa natao inona daholo ny dimy taona no manjary voatery hisy vary mangatsiaka?

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry