Fitaovana manakely sy manamboatra sary

2007-01-30 @ 23:19 in Eritreritra mandalo, Informatika

Anisan'ny zavatra mety mahaliana antsika angamba ity, indrindra isika izay zatra mpampiasa sary na amin'ny blaogy izany na amin'ny toeran-kafa. Indraindray mantsy sahirana tokoa fa lasa ngeza noho izay niheverana azy ny sary ka tsy omby eo amin'ny toerana tokony hametrahana azy.

Hitako tao amin'ny blaogin'i tattum anakiray fa misy fitaovana azo hanovana ny sary amin'ny internet. Izany hoe tsy voatery mampiasa fitaovana ao amin'ny ordinatera intsony (tahaka ny PhotoShop sns) fa vita "en ligne" daholo ny zavatra rehetra.

Koa ny nahasarika ahy indrindra dia ilay Cellsea.com 

Tsotra dia tsotra ny fanaovana azy.

Ampidirina ao ny sary (avy ao amin'ny ordi, na koa sary efa mipetraka any amin'ny internet) dia tonga dia azo ovaina ny habeny, ny lokony sns. 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry