Fikafika amin'ny ebay

2012-09-30 @ 15:06 in Eritreritra mandalo

Adinoko foana fa aleo soratana eto ny fikafika rehefa hividy zavatra amin'ny ebay. Ny fika madio daholo ireto fa ny fika maloto any amin'ny sisiny :-). Misy manao fika maloto koa mantsy ny ao amin'ny ebay dia indraindray mila valiana fika maloto.ebay

Rehefa hividy zavatra ao amin'ny ebay dia:


- Jereo tsara ny tantaran'ny feedback-n'ilay mpivarotra. Mety hoe 99% positif izy saingy jerena mihitsy ny lisitry ny feedback sao dia mba tao anatin'ny iray volana farany ilay 1% negatif.

- Na dia 100% positif ara ny feedback dia jerena koa ny points azon'ireo mpanao feedback. Sao mantsy dia compte namboamboarina fotsiny no mody nanome 100% azy. Mila hoe olona efa mpanao ebay ka manana points betsaka no nanome feedback positif azy.

- Jerena ao amin'ny feedback-ny ihany koa ny hevitry ny olona nividy zavatra mitovy amin'ilay zavatra novidinao. Afa-po ve ny olona, ohatra. Ilaina io raha mividy zavatra tsy mbola tena fantatra ianao (ohatra hoe zavatra foza orana sinoa)

- Rehefa tena mividy an'ilay zavatra indray, ka lavanty ilay izy, dia jerena tsara ny olona mifaninana aminao manao an'ilay lavanty. Raha mpikambana vao niditra na zara fa manana points dia mety ilay mpivarotra ihany no nanokatra kaonty fosika hifaninana aminao ao. Jerena tsara izany hoe olona manana points ambony ve no mifaninana aminao.

- Raha misy maromaro amin'ny ebay ilay vidinao dia manaova fampitahana tsara aloha. Indrindra raha lavanty ilay izy dia aleo izay efa madiva hifarana no andrasana. Iny mety hahazoana tombony betsaka.

- Rehefa manao lavanty dia tokony efa fantatra mialoha hoe ohatrinona ny vola holaniana amin'ilay zavatra hovidina. Azonao atao avy eo ny mametraka vidiny mihoatra kely  an'izay an'olona efa mipetraka eo... dia avy eo apetrakao ny fetra tianao. 

- Aza adino ny mijery ny saran'ny fanaterana an'ilay zavatra hovidiana. Misy fetsifetsy mantsy hoe mody mora ny vidin'entana fa lafo dia lafo ny saran'ny fanaterana azy.

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry