« | »

Fisaorana an'i S.E. Paraina

2007-04-16 @ 13:23 in Eritreritra mandalo

Eto amin'ity blaogiko ity no hanehoako ihany koa ny fisaorako an'i Paraina Auguste izay ambassadeur (t)eto Italie nandritra izay efa-taona izay. Amin'ny maha mpiasam-panjaka azy moa, araka ny nolazainy, dia voatendry hiasa any amin'ny toeran-kafa indray izy. Tamin'ny fihaonana tamin'ny asabotsy teo, izay nankalazanay indrindra ny tsingerintaona nahaterahany, no nilazany izany vaovao izany.Paraina AugusteTsy afaka manao fampitahana momba an'ireo ambassadeurs nifandimby teto  Italia aho satria tsy hitako ny sasany. Fa ny azoko lazaina aloha dia tena nahafinaritra tanteraka ny fiarahana. Ary inoako fa afa-po amin'ny fifaneraserana teto ny ankamaroan'ny Malagasy eto Italia, raha tsy izahay rehetra mihitsy. Hainy ny nampifandray ny Malagasy izay samy manana ny fiaviany sy ny fikambanany, ny firehan-keviny sy ny toetrany. Hainy ny miara-mikorana aminay Malagasy kanefa tsy very koa ny hasin'ny maha mpisolotenam-panjakana azy. Miezaka ny ho tonga foana izy rehefa misy fihaonana izay anasana azy... ary na izahay aza gaga hoe angamba tsy misy ambasadaoro toa izany any amin'ny firenena hafa. Ny sary ao amin'ny takelaky ny Malagasy eto Italia no manaporofo izany.

Azoko lazaina fa hoe tratrany ny tanjona amin'ny maha solon-draiamandreny azy ho anay eto Italia... ary inoako fa vitany ihany koa ny asany amin'ny maha solotenan'ny fanjakana malagasy azy aty. Ny antenaina dia mba hahavita mihoatra lavitra noho izy izay handimby azy eo.

Soava dia... 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry