Tsy hiady hevitra aminy

2007-03-01 @ 08:47 in Eritreritra mandalo

Manomboka mafanafana indray ny resaka Fivavahana sy Finoana ao amin'ny forum-n'ny serasera. Efa mifankahafantatra ihany ny mpi-forum hatramin'izay hoe iza no mino ary iza no tsy mino fa rehefa misy vaovao vao tonga dia avy hatrany dia tohina mahita fa misy mpikambana ao amin'ny serasera mahavita miteny hoe tsy mino an'Andriamanitra.

Koa teny kely izay efa famerimberiko foana ity ataoko eto ity... indrindra rehefa miresaka finoana. "Tano mafy izay anananao..." Aza mieritreritra akory ny handresy lahatra amin'ny alalan'ny fitenenana sy ny adihevitra. Raha hitanao fa misy tsy mitovy finoana aminao, na tsy mino mihitsy... inona moa no azonao atao afatsy ny mivavaka ho azy? Aza mieritreritra hoe hampiova hevitra azy ny filazanao aminy fa ny anao no marina. Asehoy azy fotsiny fa mino ianao. Porofoy aminy fotsiny, na tsy amin'ny teny atao aza fa amin'ny fihetsika sy ny fiainanao fa misy tombony ho anao ny finoana. Ny finoana, hoy aho, dia tahaka ny sakafo ihany. Ny anjaranao dia ny mampiseho azy hoe sakafo mahavelona io, ary ianao no vavolombelon'izany fahavelomana izany, fa ny olona akory tsy hoterenao hihinana ny sakafo nentinao. Indrindra raha mbola tsy zakan'ny vavoniny izany.

Raha miresaka amin'ny olona tsy mitovy finoana aminao ianao dia ataovy toa izany koa. Zarao aminy fotsiny izay inoanao fa aza tsiniana na hamavoina izay inoany. Raha tena resy lahatra ianao fa ao anaty fahamarinana dia izay dia efa ampy anao. Mety mbola tsy takany ny fahamarinana izay heverinao ho marina.

Torio izay iainanao... dia izay ihany. Tadidio ilay mpamafy izay nandeha namafy. Ny nataony dia namafy teny amin'izay rehetra nalehany. Nisy ny tsy nandray mihitsy, nandray antendrony, ary nisy ny nahavokatra zato heny. Koa ny hany azonao atao dia ny mamafy... saingy aza mitsahatra mamafy.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry