Bien ou rien

2007-06-29 @ 08:01 in Eritreritra mandalo

"Bien ou rien..." soratra hitako nipetraka tao antrano io tamin'izaho mbola kely. Ny tohiny tadidiko dia hoe "... c'est la dévise de notre maison..." dia misy tohiny lava fa tsy tadidiko. Fa ny nahatsiarovako azy androany dia ny nahenoako ilay ohabolan'ny romana (teny latina) hoe "In medium stat virtus" izay azo adika tsotsotra hoe ny eo amin'ny antonony no misy ny hatsarana.
Dia nieritreritra aho hoe tsy mifanohitra ve ny hoe "Bien ou rien" sy ny "In medium stat virtus". Ny iray hoe rehefa manao zavatra dia atao tsara fa raha tsy izany dia aza manao mihitsy. Izany hoe ny extrême roa, na tsara na tsy misy. Ravan'io daholo ohatra ny hoe "... ny tsara vitanao omaly no ifaninano" (Nalaina tamin'ilay hoe "Aza ny namanao no ifaninananao fa ny tsara vitanao omaly"). Satria raha tena  tsara ny vitanao omaly dia tsy misy tsara noho iny intsony fa ny azonao atao androany dia ny tsara mitovitovy amin'iny na ny ratsiratsy kokoa. Ny faharoa indray dia tsy mijery ilay vokatra loatra fa mijery ny fomba hanaovana azy. Tsy azo atao ny tsy manao mihitsy... ary mety ho ratsy koa ny miezaka loatra fa ataovy amin'ny antonony. Raha miezaka be loatra dia mety ho diso fanantenan'ny vokatra azo, mety ho reraka amboalohany ka tsy afaka hanao tsaratsara kokoa intsony, mety ho diso paika satria tsy nanandrana (mila demo aloha vao version officielle). Raha tsy manao mihitsy moa mazava ho azy fa tsy hisy vokatra akory. Io ilay hamafisin'i Horace amin'ilay hoe "Juste milieu". Tsy be loatra kanefa tsy kely loatra... fa amin'ny antonony tsara.

Ny marimaritra iraisana? "In medium" = bien => "In medium" ou rien

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry