Novonoina ho faty alina i Troy Davis

2011-09-22 @ 08:16 in Eritreritra mandalo

Na dia teo aza ny fanentanana, maneran-tany mihitsy, hanavotana ny ain'i Troy Davis dia novonoina ho faty tamin'ny tsindrona ihany izy alina. Tsy nihemotra, noho izany, ny daty farany novinavinaina namonoana azy. Efa in'efatra izy no saika hovonoina fa nisy hatrany ny sakana vokatry ny sakana noho ny fangatahan'ny mpiaro azy sy ny fisehoan'ny porofo vaovao.

Vigil for Troy Davis, Brussels, Belgium Mahalasa saina ihany ny fanamelohana ho faty toa izao satria hatramin'ny farany dia tsy nihaiky ny heloka vitany i Troy Davis ary mbola betsaka ny fisalasalana. Tsy nisy porofo tena mazava fa niankina tanteraka tamin'ny filazan'ny vavolombelona no nanamelohana azy. Ary ny ankamaroan'ireo vavolombelona aza taty aoriana dia niova hevitra sy niteny hoe vokatry ny fanerena nataon'ny polisy azy no nahatonga azy nijoro ho vavolombelona. Nisy mihitsy aza ny vavolombelona sasany no nijoro vavolombelona nilaza zavatra hafa sy nanameloka olona hafa indray.

Mahasahy ihany ny fanjakana amerikana izay lazaina fa mivoatra sy manana ny maha izy azy kanefa mbola manana lalàna mirakitra famonoana olona toa izany.

Dia an'iza indray no manaraka? Olo-meloka sa tsy manantsiny? Dia an'iza ny aina? 

Izaho aloha, na ny namonoana an'i Saddam Hussein aza dia tsy nankasitrahako mihitsy satria misy ny fomba hafa azo atao. Toa ny gadra mandrapahafaty dia tena mandrapahafaty tokoa fa tsy avoaka rehefa elaela... Soa ihany fa efa mivoatra ny any Madagasikara ka tsy misy fanamelohana ho faty... mivoatra noho i Amerika isika amin'io lafiny io.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry