Ny mpampiasa mpampiasa ihany

2007-06-22 @ 08:02 in Eritreritra mandalo

Eritreritra sendra mandalo fotsiny momba ny zavatra mitranga anakiray. Nisy bandy iray nahavita nifamaly mafy tamin'ny lehibe tao ambadika tao omaly. Tena tabataba mihitsy ary nakaratok'i leiry imbetsaka ny varavarana. Niondrika fotsiny aho tato amin'ny biraoko naheno azy. Tonga moa i leiry dia lasa nody ary hatramin'izao androany maraina izao dia mbola tsy niverina niasa.
Nandalo tao amin'ny lehibe tao aho androany maraina dia nohazavainy ny zavatra niseho. Zavatra tokony ho vitan'ny fifanazavana tsotra kanefa nentina tamim-pahatezerana. Tsy fifankahazoan-kevitra no hitako fototra. Toa samy tsy diso mihitsy rehefa nodinihiko ilay dossier fa zavatra samihafa fotsiny no noresahina. Na izany na tsy izany dia ny mpampiasa mbola mijanona ho mpampiasa ihany. Miezaka maka sary antsaina izay fomba hidiran'i leiry ato ampiasana androany indray mantsy aho. Ahoana no fomba hahatongavana sy hifampiarahabana sns taorian'ireny vava be omaly ireny? Izay no tokony nojerena. Raha tonga dia any no tsy hita dia tsy misy olana. Ary izay angamba no mahatonga an'i leiry tsy tonga hatramin'izao.

Lesona azo tsoahina dia hoe ento amin'ny saina ny fiainana fa aza entina amin'ny fo. Tsiky dia ampy. Marina fa mety voatohina ny hambom-po rehefa mieritreritra ho manana ny marina ny tena. Mba manan-kambo ihany tsinona. Kanefa izany ve no entina hankarary fo? Azo atao mihitsy ny mody fanina hoe marina ny azy. Tonga saina ihany izy any aoriana any rehefa sendra misy ny olana. Raisina antsoratra tsara fotsiny hoe namosaka ny hevitrao ianao tamin'io fotoana io fa tsy nohenoina... mba tsy hisy olana indray any aoriana any. Dia tohizo foana ny tsiky... fa ny tsiky mandresy hatezerana (tena marina io fa andramo anie e lol)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry