Vehivavy: Tsy zo ny manala zaza

2008-03-11 @ 07:36 in Eritreritra mandalo

(vokatry ny tsy fisian'ny internet ara-dalàna ao antrano dia izao ity vao lasa)

Miarahaba ny vehivavy rehetra aloha :-) ary mirary soa... mifalia sy manararaota tokoa rehefa mba omena andro iray ao anatin'ny taona. Fa amin'izao andron'ny vehivavy izao indrindra dia misy resaka mandeha mafy mihitsy eto Italia amin'ity resaka fanalan-jaza ity. Zon'ny vehivavy hono izany. Tenan'ny vehivavy io ka anjarany no mieritreritra izay hataony. Tokony ho avela malalaka tsy misy olana hono ny fanalan-jaza. Ny nahatonga ny olana mantsy dia ny nisian'ny fidiran'ny polisy, efa elaela izay, tamin'ny hopitaly iray nisy fanalan-jaza "ara-dalàna". Taorian'izay dia tonga dia nidina an-dalam-be ny vehivavy sasany nilaza fa tsy tokony hokitikitihana ny zony.

Dia hoy aho hoe, tsy afaka midina an-dalam-be mantsy ilay zaza ao am-bohoka. Tsy afaka milahatra miantso hoe "aza kitikihina ny zonay hiaina sy ho teraka".

Koa amin'izao andron'ny vehivavy izao dia tiana hamafisina hatrany ilay hoe "Ny fahafahanao dia mijanona eo amin'ny fetran'ny fahafahan'ny hafa". Tsy afaka hanao ny rehetra raha toa ka mikitikitika ny fahafahan'ny hafa koa.

Tsy hiditra amin'ny adihevitra hoe efa olona ve sa tsy olona ny zaza ao an-kibo... fa ny ho avy no jereko. Raha toa ka esorina ny zaza, na mbola tsy olona na efa olona, dia tsy ho olona mihitsy izy amin'ny ho avy. Izay maha-olona amin'ny ho avy izay indrindra no tsy voahaja. Raha manaraka ny lojikan'io fiainana ho avy io dia tsy misy azo ialana bala mihitsy, toa ny hoe tsy ho voataiza, sahirana, tsy mbola te-hiteraka...

Ny vaha olana hany tokana raha te hanala zaza... dia tsy manamboatra zaza. Tsy manao firaisana.

Efa misy ve ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zaza ao am-bohoka?

(Nalefa amin'ny alalan'ny w.bloggar araka ny fanazavan'i fraz azy ato)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry