« | »

Herin-taona naha Papa an'i Fransoà

Herin-taona androany tokoa izay no naha-Papa an'i Papa Fransoà. Tamin'ny herintaona tahaka izao, raha teny Vatican teo amin'ny tany malalak'i St. Pierre aho, dia nahatsapa teny amin'ny endriky ny olona fanontaniana be dia be nony voatonona tamin'ny "Habemus Papam" ny anaran'i Bergoglio. Ny teo amin'ny manodidina anay aloha tsy nisy nahazo antsaina fa niezaka nifanontany. Ary nony nahafantatra hoe kardinaly avy any Argentine ilay Papa vao lany dia sady nitaintaina no nanantena. Ho toa inona ity Papa ity.

Herintaona aty aoriana dia mitombon-tsaina tsara ny Katolika. "Mety be" hoy ny fiteny azy, "mety be" ho azy ireo tokoa ilay Papa Fransoà. Na ny tsy katolika tokoa aza dia hita hoe betsaka ny faly amin'i Papa Fransoà ary misy ireo mitady hiteny hoe "iny vao tena Papa".

Samy manana ny maha izy azy tokoa ny papa tsirairay izay mandalo. Samy manana ny laharam-pahamehana aminy ihany koa. Rehefa amin'ny vanim-potoana tahaka izao no manao jery todika dia tsy maintsy mampitaha amin'ilay iraikalahy taloha foana... dia tsy hiadian-kevitra ny fitiavana.

Koa amiko dia mety tsara mihitsy ny fisian'ny papa samihafa tahaka izao. Amin'izay dia mampandroso ny lafiny rehetra eo amin'ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina. Ny Papa telo hitako izao dia samy nandray lafiny iray tamin'ny iraky ny Fiangonana, tahaka ny hoe nifanaraka izany izy telolahy nanao ny mission-ny. I Papa Joany Paoly II dia niantoka manokana ny fitoriana manerana ny vazan-tany (évangélisation), i Papa Benoa XVI dia nikarakara ny foto-pinoana sy ny maha Fiangonana (doctrines), ary i Papa Fransoà nijery momba ny fanafahana (libération) izany hoe ny fitsinijovana ireo madinika mba hanafahana azy ireo anatin'ny fahoriany. Jereo eto ny hafatra Karemy ohatra

Mety betsaka ny alaim-panahy hilaza hoe misokatra kokoa ity Papa ity (manoloana ny fisaraham-panambadiana, manoloana ny "homosexuels") fa amiko dia mbola samy manana ny fifandraisany (approche) amin'ny lalàna ihany koa ireo papa telolahy ireo.

  • i Papa Joany Paoly II nanao izay hampahafantarana ny lalàna (mbola vao mafàna koa ny Konsily Vatikana II)
  • i Papa Benoà nitandrina izay hampiharana ny lalàna, manazava "pratiquement" ny tokony hatao (lasa toa hentitra kokoa izy vokatr'izany)
  • i Papa Fransoa kosa toa miteny hoe efa fantatrareo ny lalàna (efa be izay voalazan'ireo Papa roa teo aloha) dia anjaranareo amin'izay sisa. Fahafahana misafidy izany fa tsy gaboraraka.

Koa mifampiankina tanteraka izy telolahy ireo raha ny fahitako azy.

Hanahoana ny hoavin'ny Fiangonana? 

Mbola mitovy amin'ny eritreritro tamin'ny vao nahalany an'i Papa Fransoa ihany ny eritreritro herintaona aty aoriana. Tsy mino aho hoe hampitsimbadika zavatra goavana be toa ny resaka "pretra vehivavy" na ny fiheverana ny "homosexuels" na ny momba ny fanalan-jaza ny Papa. Ho azy ny laharam-pahamehana dia tsy ilay fisainana momba ireo lohahevitra ireo fa ny mijery ireo izay ianjadian'ny fahoriana vokatr'ireo lohahevitra ireo. 

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry